Sosialy

Dia an-tongotra Mankarary raha mihoatra ny ora telo isan’andro


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Nalaza be ny dia an-tongotra hatramin’ny nanombohan’ny fihibohana no mankaty. Vao mainka nampahazo vahana izany ny fisian-dry Zoto mianakavy izay nahavita dia an-tongotra 3.200 km mahery hatreto mitety an’i Madagasikara.

 

 

 Ankoatra azy mivady dia hiaraka aminy hitodi-doha ho any Antsiranana ireo zanany telo mirahalahy 14, 11 ary 7 taona mbola amin’ny alalan’ny dia an-tongotra ihany hotronina mpitandro ny filaminana. Tena ilaina ny dia an-tongotra ary mahatsara fahasalamana. Raha mihoatra ny mety kosa anefa izany dia mety hiteraka fanaviana izay hihafara amin’ny fatigue generale mihitsy. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina mantsy dia tsy tokony hihoatra ny ora roa na telo isan’andro eo ho eo ny dia an-tongotra hataon’ny olona iray. Antonony ihany koa io ho an’ny ankizy noho izy ireny matanjaka kokoa raha oharina amin’ny olon-dehibe. Ahiana ihany araka izany ny mety ho fiantraikan’izany amin’ny fahasalaman’i Zoto mianakavy. Fahafinaretana mantsy no katsahina nefa aretina indray no hita raha tsy mitandrina.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT