Sosialy

Depiote vehivavy Nitombo telo indray


  • Zoma 06 Martsa 2020

Voatendry ho depioten`i Madagasikara Razafindrazalia Yvonne amin`ny lisitra tsy miankina ao amin`ny fari-pifidianana Mahabo.

 

Vadin`ny depiote Raveloson Ludovic ihany ny mpisolo toerana azy. Rakotomalala Dina Taratiniaina amin`ny lisitra IRD kosa ao amin`ny fari-pifidianana Fandriana izay misolo toerana an`i Rasolomampionona Hasim-pirenena. Tsiahivina, fa voatana vonjimaika any am-ponja ity farany fa ny iray hafa dia efa voaheloka ary karohin`ny fitsarana amin`izao. Noho izany, hita ny fametraham-pialana ho azy nataon`ireo depiote ireo sy ny fahabangan-toeran`izy ireo araka ny and. faha- 8 amin`ny hitsivolana mamaritra ny fiasan`ny Antenimieram-pirenena sy amin`ny and. faha- 1 amin`ny fitsipika anatiny fa manala tena ho azy ny depiote rehefa tsy manatrika ny fivoriana mandritra ny iray amin`ireo fivoriana ara-potoana roa. Araka ny fanapahan`ny HCC ihany koa, dia miverina ho depiote ny minisitry ny fanabeazam-pirenena teo aloha, Volahaingo Marie Thérèse.  Mijanona amin`ny asany ary tsy ho depiote ny mpisolo toerana azy, Ravenasy Jean Emanielson. Noho izany, mitombo telo indray ireo vehivavy depiote etsy Tsimbazaza. Mbola vitsy ny vehivavy mandray anjara mivantana amin`ny fiainam-pirenena. Ny fitantanana sy ny politika no tena hahatsapana izany. Raha tsiahivina, 15% monja ny fandraisana anjaran`ny vehivavy nandritra ny firotsahan-kofidiana solombavambahoaka teo. 

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT