Depiote Todisoa Andriampandry

Tsy nanadino ireo zokiolona sy ankizy kamboty


  • Talata 26 Desambra 2023

Tahaka ny fanaony isan-taona, tsy nanadino ireo kilonga madinika sy ireo zokiolona

sahirana avy amin’ny fokontany maromaro ao anatin’ny Boriborintany faha-6 iadidiany ny Depiote Todisoa Andriampampandry. Noho ny fankalazana ny krismasy, nisy ny fanolorana fanampiana nataony teny Ambohimanarina ny sabotsy lasa teo.
Noho ny vaninandro fety, dia nisitraka vary, hena, menaka, paty, savony, sira, siramamy,… ireo zokiolona sahirana ary vatomamy sy mofomamy kosa ho an’ireo ankizy maro be sahirana sy kamboty. Nisy ihany koa ny fiaraha-misakafo masaka tamin’izany niarahana tamin’ny Masera Benedicte sy ireo fikambanana maro samihafa miahy ireo sahirana. Niara-nifety sy nikorana nifampizara hafaliana ny rehetra nanehoana ny hafaliana sy firaisam-po noho ny hasaramanitra. Tsy adinon’ny depiote Todisoa Andriamampandry ny nampahatsiahy sy naneho hatrany, fa «Tsy misy manana ny ampy fa sambatra izay mifanampy ». Nandritra io ihany koa moa nirariany krismasy sambatra ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra, ary nirariany ny rehetra hahatratra ny asaramanitra ka samy hanao faran’ny taona feno fifaliana eo ambany fiadanan’ny Tompo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT