Depiote Todisoa Andriamampandry

Nanampy sy nitsodrano ireo mpanala BEPC


  • Alatsinainy 01 Jolay 2024

Tanterahana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara manomboka anio ny fanadinam-panjakana BEPC

Brevet d'Etude du Premier Cycle Fanadinana) ahitana mpiadina: 299 130, ka sokajy A ny 153 082, ary sokajy B ny 146 048. Ho an’ny etsy amin’ny Boriborintany faha-6 eto Antananarivo, tsy nanadino ireo mpiadina ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry izay mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Anjerimanontolo rahateo, ka mitondra anjara biriky ho an’ny fanabeazana. Tahaka ny isan-taona, dia manohana ireo mpiadina amin’ny fanadinam-panjakana amin’ny alalan’ny “Cours maimaimpoana » sy « Polycopes » maimaimpoana ho an'ny zanak’Ambohimanarina tsy an-kanavaka. Am-bolana no nanaovana izany ho ka natao teny amin’ny ICM Antsararay ny faradoboka ny sabotsy teo. Tonga nitsodrano sy nankahery ireo mpiadina ny depiote Todisoa, ka nirary fahombiazana ho an’ireo mpanala fanadinana rehetra manerana ny Nosy, ary naneho mitondra am-bavaka azy ireo.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT