Depiote Todisoa Andriamampandry

Mitohy ny fanohanana ny zanak’Ambohimanarina


  • Alatsinainy 15 Jolay 2024

Mitohy ny fanohanana ny zanak’Ambohimanarina ataon’ny depiote Todisoa Andriamampandry,

ka anisan’izany ny tan-tsoroka amin’ny amin’ny alalan’ny fampianarana teny vahiny toy ny Anglisy sy ny Allemand. Tonga hatramin’ny fitadiavana làlana ho an’ireo tanora hiasa any ivelany. Nalefa hiasa any Allemagne i Zo Lalaina mpampianatra Allemand teto Ambohimanarina, raha nalefa niasa tany États-Unis kosa ny mpampianatra Anglisy Mlle Sariaka efa ho 2 taona izay, zanak’Ambohimanarina sy Antehiroka, araka ny fampahafantarana sy fampahatsiahivana. Izany no natao dia ho fanampiana ireo zanaka zandry mba ho tafita ary ho modely ho an'ireo tanora fa ny fianarana no lova tsara indrindra, hoy ny Depiote Todisoa Andriamampandry. Ity farany izay efa an-taonany maro no niahy ireo tanora mba hahatonga azy ireo hivelatra hatrany. Ny « vali-babena takiana dia ny fahendrena sy fifanampiana, manaova ny soa sy ny tsara, dia aza adino ireo zandry aty afara », hoy ny depiote Todisoa Andriampandry, izay nampahatsiahy hatrany, fa tsy misy manana ny ampy fa sambatra zay mifanampy.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT