Sosialy

Depiote Ramilison Ange Richard “Diso fanantenana ny mpamokatra lavanila”


  • Alarobia 08 Jona 2022

Diso fanantenana sy very fanahy mbola velona ankehitriny ny tantsaha mpamokatra lavanila ao amin’ny faritra SAVA, hoy ny depiote voafidy tao Sambava, Ramilison Ange Richard,

satria toy ny mifanohitra tamin’ny teny nifanomezana, hoy izy. Tamin’ny farany volana oktobra, raha nandalo tamin’iny faritra iny, ny filoham-pirenena, ny praiminisitra, minisitra vitsivitsy, isany ny minisitry ny varotra, dia nanao famoriana ireo solontenana mpandraharaha lavanilina rehetra. Velom-panantenana ny tantsaha mpamboly lavanilina tamin’izay satria ireo tompon’andraikitra ambony eto amin’ny firenena mihitsy no niteny hoe 75.000 ariary no vidiny farany ambany amin’ny kilaon’ny lavanilina manta. Tsaroako tsara ny tenin’ny filoham-pirenena tamin’izay fotoana izay hoe mbola tsy maty antoka ianareo tantsaha raha 100.000 ariary ny kilao amin’ny manta raha ny vidiny amin’ny tsena iraisam-pirenena. Mifanohitra amin’izao no misy izao. 15.000 ariary, 20.000 ariary, 25 000 ariary no hividianan’ireo mpanambola amin’ireo tantsaha efa latsaka lalina dia lalina anaty fahasahiranana. Ny olana dia hoy ireo mpandraharaha hoe mametra ny vidiny ihany ny fanjakana fa tsy mamoaka vola ividianana. Efa notapahan’ny fanjakana fa any amin’ny faha 7 jolay no atao ny tsenan-davanila manta voalohany amin’iny faritra amoron-dranomasina any SAVA iny eto Madagasikara. Ny volana aogositra izahay no efa nahita voninkazona lavanilina be dia be. Taty amin’ny septambra nefa vao naparitak’ireo tekinisianin’ny fambolena ny fisy ho fenoina mikasika izany. Tara iray volana. Mahatsiaro voafitaka ny tantsaha. Raha jerena ilay voninkazo hita tamin’ny aogositra ka atao ilay 9 volana dia may sy jona efa matoy ny lavanilina. Miantso ny fitondram-panjakana mba hiverina amin’ny fanapahan-keviny momba iny daty napetrany mikasika ny taom-piotazana iny. Rehefa tsy matoy aty amin’ny 20 na 24 jona ny lavanila tsy hatoy aty amin’ny jolay izany. Lasa manjaka ny halatra lavanilina am-potony sy ny fivarotan’ireo mpangalatra amin’ny vidiny mora. Ilay mpangalatra no mahazo tombony fa tsy ny fanjakana sy ny tantsaha. Aza gaga raha mahantra ny tantsaha ao SAVA! Mampitombo ny tsy fandriampahalemana ilay izy. Efa nanao fanambarana ireo ben’ny tanana fa tokony atao mialohan’ny 26 jona ny tsenan-davanila manta, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT