Sosialy

Depiote Nicolas “Vonjeo fa noana, marary, maty ny aty Betroka”


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Manao antso avo amin'ireo mpitondra fanjakana mahefa rehetra ny tenako, fa mandalo lalan-tsarotra ara-tsosialy ny mponina aty Betroka indrindra fa ny lafiny ara-tsakafo, ary efa lombolombon'ny Kere misy ao atsimo ny zava-misy aty amin'izao, hoy ny Depiote voafidy tany Betroka Atoa Nicolas Randrianasolo.

 

Tsy midika akory ka hoe manamaivana ny fahasahiranana mahazo ny mpiray Tanindrazana ao atsimo, fa ny eto ambanin'ny masoko aloha izay hitako mivantana no hampitaiko aminareo, hoy izy. Voalohany, dia zaza efatra iray trano avy ao amin'ny Kominina Ianakafy no efa maty vokatry ny fihinanana Aboaly na irony antsoina sy fantatra hoe “Votry” irony satria tsy manan-kohanina ny vahoaka aty Betroka lazaiko, fa ny ankamaroany Tantsaha dia sahirana avokoa noho hain-tany mbola mahazo ny aty an-toerana hatramin'izao , izay mbola tsy ahafahana mamboly, ka isany nampiakatra be taham-pahasahiranin'ny Vahoaka. Faharoa, Ramatoa mitaiza kely mbola tsy ampy enim-bolana akory ny zanany dia tsy salama noho ny tsy fahampian'ny Nonon-dreny ka miteraka aretim-pivalalanana ho an'ilay tsy manan-tsiny. Avy ao Fokontany Besorindra izy ireo no mila fandrehitra amidy ety Betroka, iny indray avy eo no amidy hividianana mangahazo raha toa ka tahiny mahampy ny vola azo amin'izany. Maro koa ny mahandro mangahazo sy manga manta , tsy lazaina intsony ireo manao foto-tsakafo manga manta ny any Ambanivohitra , izay mety hiteraka aretina “fièvre typhoide” ho an'ireo tsy manantsiny koa izany anefa. Fahatelo, voangonry no hatao sakafo ahazoana ronony hafangaro mangahazo , tsy nahazaka izany anefa ny tenan’ny vehivavy iray ka lasa nandoa rà,… Andraikitra fohy ezaka no efa noraisin’ity Depiote ity, nanampy ara-tsakafo azy ireo ary niantoka fitsaboana, hoy izy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT