Sosialy

Depiote Angèle Solange “Tsy azo sakanana ireo mpifindra monina any atsimo”


  • Alatsinainy 18 Janoary 2021

Tsy azo sakanana ireo mpifindra monina any atsimo. Na dia eo aza izany dia tsy

 

 

mamporisika ny fifindra-monina ireo olona ireo ny fanjakana, hoy ny solombavambahoakan`i Madagasikara voafidy tany Amboasary Atsimo, Angèle Solange. Nambarany hatrany fa tsy vao izao no nisy io fifindramonina io. Nomarihany koa fa tsy ny mponina any atsimo irery ihany no mila ravinahitra. “Misy polisy manakana ary milaza hoe tsy afaka miakatra an-drenivohitra ianareo. Marihako hatrany fa malalaka amin` ny fivezivezena izy ireo. Izay tonga avy any atsimo kosa dia tokony olona manana saran-dalana fa tsy handeha tanam-polo kosa. Izay no nahatonga ny omaly (ndlr: alakamisy teo) nisavoritaka tetsy amin`ny fasan’i Karana”. Nohamafisiny hatrany fa ny fanjakana efa manao dingana lehibe amin`ny zava-misy any atsimo fa tsy hanafatra akory olona hiakatra akory. “Ny any aza no mahazo tombony kokoa noho ny ezaky ny CCOK” hoy izy. Nitondra teny kely ho an` ny fizarana fanampiana any amin` ny distrika misy azy kosa ity depiote ity. “Misy ny fandaminana amin` ny fizarana amin`izao. Fa kosa tokony alefa amin` ny sambo ireo fanampiana ireo amin` izay mitoby haingana any Tolagnaro ary tsy mandeha tsikelikely ny entna satria raha taomina amin`ny kamio dia voafetra ny entana zaka” hoy ity depiote ity.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT