Sosialy

Depiote Alaina Ratsimbazafy “Ny teo an-tanako sy ireo vokatry ny antso avo no zaraiko”


  • Alatsinainy 27 Aprily 2020

Ilay fanampiana ataon'i Alain Ratsimbazafy Depioten’Atsimondrano ve avy any amin’ny fanjakana foibe? Haveriko fa noho ny antso maro voaraiko noho ny olana ao anatin'izao fihiboana dia maro no tratry ny olana mafy,

 

 

 tsy afaka miasa mitady vola, tsy vitsy ny nilaza ihany koa fa tsy mba nahazo ilay fanampiana tany amin’ny fanjakana foibe,… Noho izany, tsy afaka hijery anareo fotsiny ny tenako ary nitady vahaolana. Teo ilay efa nolazaiko hoe tsy maintsy nozaraiko ny mason-tsokina izay teto am-pelantanako, fa teo ihany koa ireo namaly ny antso izay nataoko, hoy izy. Olona sahirana sy mananontena miisa 200 no nahazo izany teny Itaosy. Teny Tanjombato dia naterina isan-tonkatrano ny fanampiana ary manodidina ny 350 no nisitrak'izany. Jereo mandrakariva ny tsikalakalam-pihavanana, raha mbola misy azon'ny tananao atao,manaova, ampio ny manodidina aminao. Ary rehefa tsy misy ny azo zaraina ,ento am-bavaka izy fa tena lehibe indrindra izany, hoy ny fanentanan’ity olom-boafidy avy amin’ny TIM ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT