Sosialy

Delestazy, vidim-piainana midangana… Efa mampanangana saina fotsy


  • Alatsinainy 05 Jona 2023

Maro amin’ny malagasy ankehitriny no efa manangana saina fotsy na koa hoe maneho fa resy tanteraka manoloana ity olan’ny herinaratra ity na delestazy

no ilazana azy na fahatapahan-jiro. Io ihany moa no efa iaraha-mahalala fa mampirongatra tsy fandriampahalemana sy mampitombo ny tsy fisiana sy famokarana, izany hoe, isan’ny mamotika toekarena. Maro ireo fihariana potika vokatry ny fahapotehan’ireo fitaovana mandeha amin’ny herinaratra na eny amin’ny mpanety io na mpamongady entana mila tahirizina anaty vata fampangatsiahana na ireo toerana fikirakirana tekinolojia amin’ny informatika toy ny «cybercafé» sy ny hafa marobe. Tsy voatery ho taza-maso eny an-tafontrano fa na any anaty tambazotran-tserasera na amin’ny alalan’ny fanehoan-kevitra amina sehatra samihafa dia lasa saika ahitana taratra sy ahitana mivantana izay fananganana saina fotsy ho mariky ny faharesena manoloana ny tsy fahombiazan’ny fitantanana ny firenena izay. Miverina foana isan-taona isaky ny miha maro ireo malaina hanangana sainam-pirenena ho mariky ny fahaleovantena anatin’ny volana jona izay natao hankalazana ny fetim-pirenena ny fanontaniana hoe isika marina ve tena efa azo lazaina ho mahaleontena? Efa tena mampanangana saina fotsy ilay zava-misy eto amin’ny firenena, hoy ny fanehoan-kevitra, ary ny anay io no efa nitsangana efa ela.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT