Delestazy tsy manam-pahataperana

Nitroatra ny vahoakan’Ambohipo


  • Alarobia 20 Desambra 2023

Tahaka ireo fokontany sy faritra sasany eto Antananarivo sy ny manodidina,

ny teny Ambohipo indray no naneho ny hatezerany omaly takariva noho ny tsy fisian-drano. Nirohotra nanakan-dàlana sy nandoro kodiarana teo amin'ny « 3 Chemins » ny vahoakan’Ambohipo noho ny fahatapahan-jiro diso tafahoatra. Tsy nisy afaka nandeha ny fiara sy ny karazam-pitaterana, fa dia nihitsoka teo. Nisy ihany ny mpitandro ny filaminana fa naka sisiny, hoy ny fanamarihana. Leo sy tofoka ny olona, ary tsy vao sambany no nisy fanairana tahaka izao, saingy mbola lavitry ny kitay angamba ny afo amin’ny famahana ny olam-bahoaka. Eo ny fizarana jiron’akoho mandeha amin’ny fokontany sasany eto Antananarivo, saingy tsy mahavaha ny olan’ny delestazy satria misy ny asa fivelomana mila izany, ny fitaovana any an-tokantrano dia tsy azo alefa amin’ireny ankamaroany,… Maneho ihany koa izao zavatra mitranga izao fa mahery vaika ny olana ara-tsosialy raha tsy hilaza afatsy io resaka jiro sy rano io. Manampy trotraka izany ny sondro-bidim-piainana andro aman’alina,… Matoa ny olona tonga amin’ny fanairana sy hetsika mahery vaika tahaka izao dia midika fa efa tsy afa-po intsony amin’ny valin-teny sy ny vahaolana aroson’ny mpitondra. Ny rano tsy mandeha, jiro tapaka, fako tsy voaroaka, vidim-piainana midangana,… Aiza ho aiza amin’izany ilay hoe : Madagasikara tsy maintsy mandroso ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT