Sosialy

Delestazy tsisy farany Miomana ny hihetsika ny vahoakan’i Mahajanga


  • Zoma 23 Jona 2023

Tsy eto an-drenivohitra ihany, fa saika manerana ny nosy no leo sy tofoka amin’ny delestazy. Ho an’ny any Mahajanga izao,

dia nisy ny fangatahana nataon’ireo vahoaka tamin’ny alalan’Atoa Afakandro Christian nalefa tany amin’ny Prefe mba ahafahana maneho ny alahelon’ny vahoaka sy hangataham-panazavana fa leo sy tofoka tanteraka, potika sy mikorosy fahana ny asa fihariana,... Hetsika am-pilaminana eny amin’ny Bord de la mer Mahajanga no angatahan’izy ireo alalana. Raha ny vaovao marim-pototra voaray avy any Mahajanga, mahatratra hatrany amin’ny 12 sy 13 ora isan’andro ny fahatapahana, ary tamin’ny andron’ny fanadinam-panjakana, ary tamin’ny andron’ny fanadinana CEPE aza tsy nandeha mihitsy, raha ny fanamarihana. Hatramin’ny omaly hariva, tsy mbola nisy aloha ny valiny mikasika an’io fangatahana io na hahazo alalana na tsia ?

Toky R sy RHR

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT