Sosialy

Delestazy mankaleo Mahita holazaina foana ny Jirama


  • Alakamisy 28 Oktobra 2021

Mampikolay ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina tato anatin’ny efatra andro andro, ary rehefa zohiana dia toa olana manerana ny Nosy.

 Nitondra fanazavana ny Tale jeneraly mpisolo toerana eo anivon’ny Jirama Atoa Rivo Radanielina omaly, fa “fahasimbana faharoa no mbola mampitohy ny fahatapahana satria nisy fahasimbana vokatry ny “court-circuit” na akoson’aratra ny milina iray amin’ny telo mamokatra sy mitondra herinaratra. Efa antitra loatra ny “cable” ary niteraka “court-circuit”. Efa vita ny fahasimbana ny alatsinainy, ary efa nilamina. Nisy indray ny fahasimbana ny alatsinainy. Nisy olana ara-informatika tamin’ny fibaikoana ny milina iray hafa. Ezahina ny tsy hisian’ny fahatapahana betsaka eran’Antananarivo”, hoy ny fanazavana. Voalaza anefa, fa mbola hangotraka ny tsy fisiana herinaratra amin’io faran’ny herinandro io noho ny fanamboarana. Mbola tsy nirotsaka akory ny orana ny takarivan’ny alahady no efa nahery vaika ny fahatapahana mainka fa amin’ny vanim-potoana fahavaratra? Nambara fa olana any Andekaleka, olan’ny tambajotra mamatsy an’Antananarivo, fisorohana ny fihitaran’ilay fahamaizana trano eny Ambohipo,… hoy ny fanazavana afak’omaly, ary io nisy fanazavana manaraka io indray omaly. Mahatezitra, miteraka fantiantoka goavana ho an’ny fiveloman’ny olona, ary misy akony ara-toekarena mazava ho azy,… Tsy mbola nisy tahaka izao angamba tao anatin’ny 60 taona? Ny faktiora anefa rehefa faran’ny volana ny eo ihany no eo, ary vao mainka mitombo aza. Ny olana boriboriana fotsiny amin’ny hoe: “An-dalam-panarenana, ialana tsiny noho ny fanelingelenana, hevero ho toy ny tsy tapaka,…”. Efa ela izay niharetana izay, ary tsiahivina, fa isan’ny nanesoana ny Fanjakana teo aloha ilay hoe: 3 volana dia mivaha ny delestazy. Tamin’ny taona 2018 raha nandeha ny adihevitr’ireo kandida Filoha roa nanao fihodinana faharoa, dia nireharehan’ilay lany, fa efa fantany hatramin’ny filàna angovon’I Madagasikara ary ny fahatongavany eo no ela. Aiza izany izao? Kisehoseho sy resaka no betsaka! Hanaiky ve ny Fanjakana raha mba hiteny ny vahoaka hoe: miala tsiny noho ny tsy fahampiam-bola fa tsy afa-namokatra sy niasa noho ny delestazy ka hevero ho toy ny efa voaloa daholo aloha ny faktiora fa andalam-pikarohana vahaolana ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT