Delestazy lavareny ao Ambositra

Hitarika olona hidina an-dalambe ny mompera iray…


  • Zoma 23 Febroary 2024

Tsy mbola nahitam-bahaolana hatreto ny fahatapahan-jiro lavareny

ao anatin’ny distrikan’Ambositra, indrindra fa ny ao an-tampon-tanana. Efa amam-bolana izao no niainan’ny mponina izany hany ka tsy misy asa fihariana mandeha amin’ny laoniny intsony ankoatra ireo olona kamo miasa izay faly sy mahazo aina amin’izany trangan-javatra izany. Ny tsy fandriampahalemana moa dia tsy lazaina intsony hoy ny mompera iray, antony nanetsika ny hambom-pony ka nahatonga azy hampitandrina ny Fitondram-panjakana sy ny Minisitera tompon’andraikitra fa hidina an-dalambe izy ireo raha toa ka tsy misy ny vahaolana. Hatramin’ny Alahady izao no fe-potoana nomen’ity Mompera ity ho an’ny fanjakana. Aza mifanome tsiny intsony hoy izy aorian’izay fa hametraka taratasy fangatahana eny amin’ny prefet izahay ary hifamotoana eny an-tampon-tananan’i Vinany amin’ny Talata 27 Febroary ho avy izao manomboka amin’ny 01 ora folakandro. Nomarihin’ity mompera iray ity moa fa tsy misy hidiran’ny resa-politika izao hetsika hataony izao fa tena ho fampahafantarana ny Fitondram-panjakana kosa fa mijaly amin’ny jiro tapaka lavareny ny mponina ka tsy mahavita miaritra izany intsony.
Pati Legende : Fandoroana kodiarana tahaka izao no hanehoan’ny mponina ny hetsika hataony matetika rehefa be loatra ny delestazy !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT