Delestazy, fahatezeram-bahoaka,…

Manahy fipoahana ! Miantso fitoniana ny governemanta


  • Alarobia 04 Jona 2025

Niteraka resabe ny fihetsika nasehon’ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo izay nitady

làlana nialana omaly, raha saika hanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny olan’ny angovo sy herinaratra. Endrika maneho, fa sahirana sy tsy manan-kavaly mikasika io olana stratejika am-polo taonany io ny Fanjakana Rajoelina. Ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Rtoa Mara Donna no nampitenenina !? Mazava ho azy, fa tsy fanazavana teknika ny governemanta, fa resaka natao hampitoniana saim-bahoaka. « Efa nanome ny toromarika ny Filoham-pirenena ho amin’ny fandraisana andraikitra isan’ambaratongany. Manatanteraka ny toromarika amin’ny tandrify azy ny governemanta, toy ny fametrahana paikady mba hanatsarana ho tonga amin’ny isan-tokantrano ny tolotra », hoy ity Minisitra ity. Nambara fa efa vinan’i Andry Rajoelina tanterahan’ny governemanta ny resaka ambovo azo havaozina. Nolazaina fa maheno ny Filoha sy ny governemanta, ary misy ireo teknisianin’ny Jirama tokony hanatanteraka ny tandrify azy. Nambara fa mametraka fotodrafitrasa mifanaraka amin’izay mba hahazoan’ny mponina na an-tanan-dehibe na ambanivohitra herinaratra ny Filoham-pirenena. « Tokony samy handray ny andraikitra tandrify azy tsy misy miala andraikitra na ny Jirama na ny teknisiana. Ny Jirama ihany koa orinasa mahaleotena amin’ny fitantanana, manana drafitra hitantanana azy na amin’ny fohy ezaka, na antonona, na lavitra ezaka », hoy hatrany ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina. Nolazaina fa manao tantsoroka ny governemanta hanatsarana ny tolotra, ary miantso ny rehetra handray andraikitra, miantso fitoniana sy fifampihainoana satria tsy misy manana tombotsoa hisian’ny korontana », hoy io Minisitra io. Te hanilika indray fa ny Fanjakana miasa fa ny Jirama no tsy manao ny asany ?
FAMPANANTENANA POAKATY MANDAVAN-TAONA…
Fa angaha moa vao izao androany ny filoham-pirenena no nanome baiko sy toromarika ? Angaha vao androany i Andry Rajoelina no nampanantena poakaty sy nitanisa lainga mikasika ny delestazy ? Nambaniana ireo mpitondra teo aloha tamin’ny 2018 fa hoe zara raha nahavita 400MW fa izy hanao 400MW anatin’ny 5 taona fa aiza izany ankehitriny ? Nolazaina ny janoary 2022 fa afaka 6 ka hatramin’ny 8 volana dia ho foana ny delestazy fa manao ahoana izy ankehitriny ? Ny Jirama mbola nanana ambim-bava sy tombom-barotra an-jatony miliara fa izao bokan-trosa an’arivony miliara Ar ka izany ve ilay fahombiazana ? Aiza ilay fihirahirana tamin’ny 2018 hoe : misy Fanjakana ve eto ? Efa tsy misy intsony ve ny delestazy ? Mazava ho azy, fa fampandriana adrisa sisa no betsaka, ary raha ny vahaolana mikasika ny hoe : fametrahana angovo azo havaozina dia mitarazoka sy filalaovana fampanantenana no betsaka. Ny vahaolana tanisaina tsy misy tanteraka. Aiza izao ilay filazana ny aprily 2024 fa hiodina amin’ny aprily 2025 ny milina 105MW apetraka ao Ambohimanambola ? Raha tena nahomby ve mbola ho tahaka izao isika ? Mazava ho azy, fa mihamafy ny krizy, mitombo ny olana, tsy misy ny vola hividianana solika, bokan-trosa ny Jirama ary karazan’ny efa amidy ankolaka amin’ny alalan’ny fikatsahana hampiditra ireo tompon-trosa ho tompona petra-bola,… Mbola lavitry ny kitay ny afo, tsy mahomby Fanjakana,…

LEO NY VAHOAKA !
Tsy misy olom-pirenena maniry ny hidina an-dalambe, handoro kodiarana, higrevy,… fa matoa tonga amin’izany dia efa tena marary. Tsy fidiny ho an’ny olona efa reraka sy trotraky ny rotorotom-piainana ny mbola handeha hanao fanehoan-kevitra mahery vaika eny an-dalambe fa matoa tonga amin’izany dia leo ny olona, leo fampanantenana poakaty, leo resaka, mitaky vahoalana azo tsapain-tanana,… Henjana ny fahapotehana ateraky ny delestazy izay farafahakeliny 6ora isan’andro miantraika amin’ny fihariana samihafa mampiasa herinaratra, na ny orinasa madinika io na ireo indostria lehibe, eny fa hatrany amin’ny hopitaly. Ireo manana fahafahana hividy milina miakatra ny mason-karena,… Nisy depiote mpiara-dia amin’ny fitondrana nanatsikafona ny resaka olan’ny jiro sy rano nandritra ilay haintrano teny Tsarahonana, saingy mody nanilika tany amin’ny Tale Jeneraly sy minisitra. Ny hafa, toy ny depioten’Arivonimamo nilaza fa vonona hirotsaka hiaraka amin’ny vahoaka rehefa tsy hamaha olana ny Fanjakana,… Ny maro an’isa kosa mbola voky sy tsy te hahalala !
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Krizy goavan'ny famatsiana angovo
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Nodidian’ny Fanjakana ho

  • Rakoto Jean Pierre
  • Alarobia 08 Aprily 2026

"Aza zarina amin'ny bôjo ny Vahoaka !"

  • Antananarivo Renivohitra
  • Alarobia 08 Aprily 2026

Raikitra indray famindrana

Hijery ny tohiny
FTT