Sosialy

Delestazy eto Antananarivo Vokatry ny fahasimban’ny transformateur ao Ambodivona


  • Alatsinainy 10 Desambra 2018

Saika mitaraina ny amin’ny delestazy lavareny iainana eto an-drenivohitra sy ny manodidina avokoa tato anatin’ny herinandro izao ny mpanjifan’ny orinasa JIRAMA.

 

 

Maharitra hatrany amin’ny ora roa izany raha kely indrindra ka tsy vitsy ireo zary tapaka asa fivelomana tsy fidiny. Nitondra fanazavana mahakasika izany ny teo anivon’ny JIRAMA ny faran’ny herinandro teo ka nambaran’izy ireo  fa vokatry ny fipoahan’ireo “transformateur” roa an’ity orinasa ity etsy Ambodivoina no mahatonga izany.  Tamin’ny alahady sy alatsinainy lasa teo no nitrangan’izany raha araka ny fantatra  ka ny faritra avaratra toa an’Ivato sy ny manodidina no tena lasibatra. Mba hahafahana manampy ny mpanjifa rehetra anefa dia voatery nanampy tosika tany amin’ireo mpamatsy ny herinaratra any amin’iny faritra atsimo iny ny JIRAMA, hoy ny fanazavana. Tsy mahazaka ny filàn’ny mpanjifa rehetra  anefa izany rehefa hariva ny andro ka tapaka ihany koa hany  ka tsy maintsy miezaka mandamina sy mandrindra izany ity orinasa iray ity. Lany eo amin’ny ora roa  na telo eo ho eo izy ireo manatanteraka izany, antony mahatonga ny delestazy haharitra ora roa na telo ihany koa. Tafiditra ao anatin’ireo ora roa ireo moa ny fitohanana eny an-dalana vakivakian’ireo mpiasan’ny JIRAMA araka ny fanazavana hatrany.  Eo an-danin’izay anefa dia vao mainka miaka-bidy ny vidin-jiron’ny JIRAMA isam-bolana fa tsy misy fihenany ary raha vantany vao tara ny fandoavana izany dia tapaka avy hatrany.

 

 

Pati

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT