Sosialy

Delestazy Efa nahita vahaolana ny JIRAMA sy ny mpamatsy solika


  • Sabotsy 22 Desambra 2018

Nitondra fanazavana mahakasika ilay delestazy lavareny nitranga teto an-drenivohitra sy ny manodidina ny alakamisy teo Rasoloelison Lantoniaina, minisitry ny angovo omaly, teny Nanisana.

 

 

 

 Nambarany  fa vokatry ny tsy fahampian’ny solika no nahatonga iny fahapatahan-jiro iny. Ny teny amin’ny  toeram-piasan’ny birao mahaleotena misahana ny fifidianana ihany na ny CENI no tsy maintsy nitadiavam-bahaolana ialana amin’ny korontana mety hitranga. Efa nahita vahaolana ny orinasa JIRAMA sy ny kaompania mpamatsy solika mba hahafahan’ny isan-tokantrano manao fety am-pilaminana. Ankoatra ny tsy fahampian-tsolika moa dia nanazava ireo karazana olana amin’ny fitrandrahana ireo renirano mba hahazoana herinaratra ihany koa izy. Nambarany  fa efa ambany dia ambany ny rano etsy Mandroseza amin’izao vokatry ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Toraka izany koa ny any Mantasoa sy Mandraka, antony miteraka ny fahatapahan-jiro matetika. Efa miezaka anefa ny minisitera izay tarihiko mitady vahaolana maharitra mahakasika izany hamaliana ny hetahetan’ny mpanjifa. Nofaranana omaly ohatra ilay fivoriana niarahana tamin’ny consortium hamatsiana herinaratra mateza ho an’ny isan-tokantrano. Kasaina ho vita amin’ny volana oktobra taona 2019, ohatra, ny fametrahana fotodrafitrasa eny Mahitsy izay hanana tanjaka 220 Megawatt. Nomarihin’ny minisitra moa fa tsy ho an’ny mponin’Antananarivo irery izany fa ezahina hipariaka manerana ny faritra maro.

 

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT