Sosialy

Delestazy adin’ny 4 mahery Sao dia mba efa tsy rariny intsony ?


  • Zoma 03 Septambra 2021

Tsy nifankahitana ny fahatapahan-jiro lava reny teto Antananarivo omaly 02 septambra 2021. Saika faritra maro teto an-dRenivohitra no nnizaka ny delestazy lavareny satria

 nanomboka tamin’ny 10 ora maraina hatramin’ny 2ora sy sasany tolakandro teo izany. Toa nifanandrify indrindra tamin’ny fiomanana tamin’ny lalaon’ny ekipam-pirenena amin’ny taranja baolina kitra. Na izany aza, endrika sy porofo mazava maneho ny tsy firaharahiana vahoaka intsony. Toa efa mandeha ho azy ny fahatapahana, ny fanazavana efa tsy tena misy intsony na misy ihany fa betsaka no “”azo raisina fa tsy mitombina”. Tsapan’ny Jirama sy ny Fanjakana ve ny fatiantoka ara-toekarena sy ara-tsosialy aterak’izany hoe: adin’ny 4 na adin’ny 5 tsy mandeha ny herinaratra? Mbola rariny ve ny tsy firaharahiana tsotr’izao ny mpanjifa ao anatin’izany sa dia boriboriana fotsiny hoe: zakan’ny olona foana izay hatao azy eo na efa tsy rariny intsony aza? Sanatria rehefa mitroatra ny olona dia holazaina indray fa misy ambadika politika? Tena efa maro ny tofoka sy tezitra, saingy efa hiseho amin’ny alalan’ny fipoahana ara-tsosialy angamba vao ho taitra sy hikoropaka ny Fanjakana fa izao aloha mbola mipetraka tsara ny vahoaka dia vitavita ho azy eo.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT