Sosialy

Delegen’ny mpiasa noroahina Nidinan’ny Fisemare ifotony


  • Alarobia 20 Jona 2018

Ny 15 desambra 2017 teo no nivoaka ny didim-pitsarana tokony hamerina ny delegen’ny mpiasa eo anivon’ny Central Hotel etsy Tsaralalana,

 Tinah Solange Ravoniarisoa, raha ny fanazavan’ny avy eo anivon’ny Fiombonan’ireo sendikan’ny mpiasa malagasy revolisionera na Fisemare, raha nidina teny ifotony nanatitra ity lasibatra ity teny an-toerana omaly. Raha ny fanazavana, dia nandresy teo anivon’ny fitsarana ity delege ity nanoloana ireo filazana azy ho tsy nanao ny asany ara-dalàna sy nanimba fitaovam-piasana ary nandrahona mpiasa rehefa tsy manaiky hiditra ho sendika. Efa tamin’ny fisokafan’ny orinasa tamin’ny taona 2013, hoy ity mpiasa ity, no tato ny tenako. Ny mpiara-miasa no nanendry ahy ho delege. Niady ho an’ny mpiasa aho satria tsy rariny raha ny karaman’ny mpiasa vaovao indray no nasondrotra avo roa heny no ho ny tranainy. Niharan’ny antsojay aho, hoy hatrany izy, nanomboka teo ary dia mbola taraiky ato ny karamako herintaona. Tonga nifanazava tamin’ny tompon’andraikitry ny mpiasa eo anivon’ity orinasa ity moa ny voakasiky ny raharaha sy ny Fisemare ary dia nifanaiky fa hijery fotoana manokana ahafahana mifampiraharaha.

J. Mirija


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT