Nisy ny fanomezana ny “permis de construction” matoa nisy ny fanorenana ny tsena ao amin’ny “parking Anosibe” izay miteraka olana sy korontana amin’izao fotoana, hoy ny delegen’ny Boriborintany fahefatra. Nambarany fa nisy olona nilaza, fa anisan’ny nandray vola tamin’ny fanamboarana io tsena io, izy.
“Izaho tsy nanome alalana hanao tsena, hoy ny fanazavany. Raha ny fanomezan-dalana hanorina tsena indray, dia voalazany, fa misy olona tompon’andraikitra tao, fa tsy misy tsena atsangan’ny delege izany. Misy ny “service” ny tsena ary nisy ny tompon’andraikitra nanome ny “permis de construction”. Matoa afaka nanangana tsena dia nisy nanome alalana tao”, hoy ity delege ity. Eny anivon’ny monisipaly ihany no afaka manome fahazoan-dalana sy manana fanapahan-kevitra hanangana tsena, fa tsy eny anivon’ny firaisana na Boriborintany akory. Nambarany fa fanosoram-potaka natao taminy ny fandraisany vola tamin’io. Ny lehiben’ny tsena sy ny namany no tompon’andraikitra amin’ny fampandrosoana eo anivon’ny fiadidiana ny tanàna, izay tompon’antoka voalohany amin’izany, raha ny fanazavany hatrany.
Sitraka r.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.