Zazalahy kely iray manodidina ny 11 taona no azo sary nodarohan-dRainy
omaly maraina teny Amboditanimena Soavimasoandro . Tsy fantatra mazava izay antony tena tsy nifanarahan’izy mianaka fa raha ny zavatra hita tao anatin’ilay horonan-tsary niparitaka tao anaty tambajotran-tserasera facebook dia nasain’ilay dadany nanao paompy io zanany lahikely io. Rehefa tsy nahavita izany nitohy anefa ilay zaza dia nokapohiny tamin’ny kifafa indray. Nitsoaka ilay zaza noho izany saingy mbola nenjehiny ihany ary nokapohiny sy nodarohany. Tafakatra teny ambony lavarangan’olona ilay zaza tsy manan-tsiny noho izany . Mbola nenjehin’ilay rainy ihany anefa izy ka tsy nanahy mihitsy nivadika teny ivelan’ny arofanina ary nilatsaka avy teny ambony lavarangana tsy nahalala izay hahafaty azy intsony. Mbola vao mainka toy ny nandrisika ilay rangahy ihany izany ka nitondrany hazobe indray. Voatery niditra ny manodidina noho izany saingy mbola nanaovan’ilay rangahy vavabe sy fandrahonana ihany koa. Ny tsy fantany anefa dia fikambanana maro toy ny fikambanana Fitia, ny polisy miaro ny zaza tsy ampy taona no efa nahita ity horonantsary ity. Ny manodidina rahateo nanamafy fa efa fanaon’ity Rangahy ity ny mamono zanaka tafahoatra tahaka izao. Omaly folakandro ihany moa dia efa nosamborina ity rangahy mpanomo zanaka ity mba hatao fanadihadiana. Notazonina ihany koa ny renin’ilay zazalahy noho ity farany tsy nampandre ny mpitandro ny filaminana ka raisina ho mpiray tsikombakomba. Azo hatao moa ny miantso ny laharana maitso 147 na 813 ho an’ireo mahita trangana herisetra hatao amin’ny zaza. Azo hatao ihany koa ny manoratra any amin’ny tranon-kalan’ny arozaza.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.