Dany Rakotoson

«Tsy maintsy hipoaka ihany io»


  • Alarobia 02 Oktobra 2024

Efa niresaka aho fa raha vao tsy ampy «empathie» na fahaizana mipetraka amin’ny toeran’ny

hafa ny mpitondra fanjakana iray dia lasa tsy mahatsapa ny fahavoazan’ny vahoaka entiny, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Iarahantsika mahalala, hoy izy, ny zava-misy eto andrenivohitra na any amin’ny faritra amin’ity delestazy ity. Eo koa ny fahatapahan’ny rano. Eo ny resaka tsy fandriampahalemana. Ny mampalahelo indray moa izao dia nanana fahafahana ihany ny fitondram-panjakana, niaraka tamin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo, hanao lalana dia maninona no efa akaiky propagandy ohatran’izao vao atao? Tsy ampy amin’ny fitondram-panjakana amin’izao mihitsy ilay atao hoe «empathie». Tsy tena mahatsapa ny zava-mitranga amin’ilay vahoaka entiny fa ohatrany lasa tratran’ny tapimaso ve sa inona no tsy mahita akory ilay fahoriam-bahoaka? Tokony hahatsapa tena ny fitondrana, indrindra, ireo olona manodidina azy satria rehefa tsy miteny azy ny olona manodidina azy dia ohatran’ny olona mampijabaka hoy ny fitenin’ny tanora izay. Mampijabaka azy izay tsy mahafantatra akory ny zava-misy. Mety hahatonga ady eto amin’ny firenena izany zavatra izany satria rehefa diso voatery loatra ilay vahoaka amin’ilay fahoriana misy dia tsy maintsy hipoaka ihany io indray andro any. Ho avy ny fifidianana dia hanao «vote sanction» na latsa-bato manasazy ny vahoaka noho ny zava-misy sy ny fahoriana mahazo azy. Izay no tokony ezahin’ny fitondram-panjakana arenina faran’izay haingana mba tsy hahatongavana amin’izay fipoahana izay, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT