Sosialy

Dany Rakotoson “Natsikafon’i Batsirai ny tena fahantrantsika”


  • Talata 08 Febroary 2022

Tsy vao izao isika no nandalo rivodoza, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson. Raha jerena fotsiny ny naha samihafa ny tamin’ny Geralda sy tamin’izao fandalovan’ny Batsirai,

 hoy izy, dia tena hita mihitsy tamin’ity ny fahantran’ny vahoaka Malagasy satria amin’ity tambazotran-tserasera ity dia hitantsika daholo. Ireny foana no iainan’ny olona any rehefa misy rivodoza na kelikely aza. Rava ny trano dia afaka herinandro izy manangana. Izay foana no iainan’ny vahoaka Malagasy any amin’ny sisiny any ary fahoriana foana ny fahatapahan’ny lalana sy tetezana fa matetika moa tampitampenana isika avy eto Antananarivo. Ho antsika mpitondra fanjakana eto an-tampon’Iarivo eto matetika rehefa tsy mandalo eto ilay izy dia ohatry ny hoe tsy mavesatra ilay izy dia adino. Misy tambazotran-tserasera amin’izao dia hitantsika mihitsy izany atao hoe fahantrana izany. omentsika tsiny ny vahiny miteny hoe firenena farany mahantra isika ary mbola naverin-drizareo izany. Izay no fijerin’ny olona. Rehefa tsy tsapantsika izay dia tsy hiova mihitsy eto. Tokony ho tanjona voalohany ny hampanan-karena ireo vahoaka ireo. Raha nanan-karena ireo dia mety nahavita latsakemboka tsara hanaovana tafom-piangonana tena manara-penitra tsy ho tsofin’ny rivotra. Nanangana trano ireo satria nanam-bola. Afaka napetrantsika ny fenitry ny trano ho tsy laitran-drivo-doza na “anti-cyclonique” tsy hisian’ireny traboina be dia be ireny. Samy nandalovan’ny rivodoza daholo isika sy ireo nosy rahavavy fa ry zareo tsy nanisa tafo lasan’ny rivotra. Andrin-jiro no nianjera tany na andrina dokam-barotra sy hazo. Ny trano tsy nianjera satria nanaraka ilay fenitra. Rehefa apetraka tsara hoe ahoana no fomba atao mba hisian’ny fitsinjaram-pahefana aloha voalohany indrindra satria Madagasikara lehibe noho I Lafrantsa dia tsy fitantsika fa heverintsika ho mitovy Antananarivo sy Fianarantsoa na Antananarivo sy Mananjary. Nanaovana fanapahan-kevitra aza hoe tsy mianatra sy miasa taty Antananarivo ity nefa afaka nianatra sy niasa tsara. Tokony jerena tsara satria manana injeniera misahana ny toetr’andro isika fa tsy handraisana fanapahan-kevitra fahatany fotsiny dia ny toekarena no mikatso avy eo, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

Hijery ny tohiny
FTT