Sosialy

Dany Rakotoson “Mandainga izay tsy mahita hoe mafy ny fiainana eto”


  • Alarobia 21 Desambra 2022

Navesabesatra ny taona 2022, hoy ny mpandinika raharaham-pirenena, Dany Rakotoson, satria iarahantsika mahalala ny fiakaran’ny vidim-piainana. T

sy nahay naka fepetra mialoha isika ary io moa, hoy izy, ilay tsy mbola tonga tao amin’ny fitondram-panjakana mihitsy. Izay ilay hoe fahaizana mitsinjo no atao hoe mitantana. Efa tokony nivonona tamin’ny fiantraikan’ny COVID 19 isika tamin’iny 2022 iny dia manana fomba nahafahana nanarina ny famokarana amin’ny maha firenena tokony hifantoka amin’izany antsika. Ahoana ny famoronana asa, ny fampiasam-bola? Tokony nivononana izany saingy ny niseho dia lasa sahirana daholo ny malagasy rehetra tratran’izay sondro-bidim-piainana izay. Nidoka tena moa ny minisitra hoe voatazona ilay izy fa tadidio fa ny fanontaniana tena tokony hipetraka dia ny hoe mahazaka izay ve ilay enti-manana sy fahefa-mividin’ny olona? Marefo ny vahoaka malagasy ary iny taona 2022 iny tena mavesatra ho an’ny tokantrano tsirairay avy. Ohatran’ny tsy tonga saina isika hoe matoa nifidy olona hitantana dia mba hanamaizana izay fahavesarana izay. Toa nandiso fanantenana nefa ilay nofidiana. Mila fanjakana mahefa, vonona hanatsara ny fiainan’ny tsirairay nefa. Ny zava-misy izao dia manana ny fandresen-dahatra na “argument” rehetra ny mpanohitra hanenjehana sy tsy hanaovana fiatoana politika satria tsy manana izay fahavononana hanatsara fiainam-bahoaka izay ny fitondram-panjakana. Mamirifiry ny mahazo ny vahoaka ary mandainga izay milaza ho tsy mahita hoe mafy ny fiainana eto. Tsy misy ny vahaolana maharitra fa vonjitavanandro foana no hita hatramin’izay. Tsy misy ho antenaina loatra angamba raha ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Tsy hisy fahagagana io ka hoe hiova ao anatin’ny fotoana fohy izy, hoy hatrany ny tenany.

J. Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT