Sosialy

“Dalle” tsy misarona Atahorana handratra olona


  • Alarobia 19 Jona 2019

Saika ahitana asa fanamboaran-dalana avokoa manerana an’Antananarivo amin’izao, indrindra ireo tsy maintsy hanaovana fanitarana toy ny eny Anosibe, Antananarivo Atsimondrano...

 

 

   Ankoatra ireo tatatra vaovao vao nosokafana dia toerana maro no ahitana dalle tsy misarona nefa tena mahadifotr’olona tokoa. Ho an’ny etsy Soanierana, ohatra, izay toerana be olona mifamevivezy dia dalle roa raha kely no mihanjahanja. Ny iray  amin’ireo anefa  dia eo amin’ny toby fiantsonan’ny taksibe mihitsy nefa raha vao migadona ny amin’ny 4 ora hariva dia efa feno mpianatra mijanona eo sady misangy. Mangataka ny tokony hanaronana azy ireo haingana ireo olona mampiasa iny lalana iny sy ireo ray aman-drenin’ny mpianatra. Mikasika ity asa fanamboarana eto an-drenivohitra ity, fantatra fa amin’ny volana  septambra vao hifarana tanteraka izy io ka betsaka ireo toromarika mety hiova.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT