Sosialy

CUA sy polisim-pirenena Hiara-kiasa akaiky amin’ny fanazarana ireo mpampiasa lalana


  • Alatsinainy 26 Jolay 2021

Nanamafy ny fiaraha-miasa misy eo aminy ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny Polisim-pirenena. Tontosa tamin'ny Sabotsy teo ny fifanaovan-tsonia teo amin'ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Fanomezantsoa

 Rodellys Randrianarison sy ny ben'ny Tanàna Naina Andriantsitohaina. Nampahatsiahivina nandritra izany ny fandaminana vaovao hampiharina amina làlana sasantsasany toy ny eny amin'ny rond point Antanimena, Behoririka sy ny manodidina ary koa ny fanovana toeram-piantsonana an'ireo fiara fitateram-bahoaka sasany eto an-drenivohitra.Omaly alahady izy ireo no hirotsaka an-kianja amin'ny firosoana sy fanazarana tsikelikely ny mpampiasa làlana. Hifanome tànana ny Polisim-pirenena sy ny Polisy Monisipaly araka izany amin'ny fandrindrana ny fifamoivoizana eo amin'ireo toerana voakasika ireo sy amina toerana maro. Mifampiankina betsaka amin'ny fisokafan'ny arabe migodana "Rocade Iarivo " izao fandaminana vaovao izao ary nanentana ny mpampiasa làlana rehetra ny Minisitry ny filaminam-bahoaka mba hanaraka ny fandaminana eny an-toerana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT