Sosialy

CUA sy ONG Positive Planète Hanatsara ny fari-piainan’ireo mpaka fako miisa 1.000


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Mpaka fako miisa 1.000 eto amin’ny tanànan’Antananarivo no hisitraka ny fiaraha-miasa eo amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny ONG Positive Planète International.

 Tontosa omaly maraina teny Analakely ny sonia  fifanekem-piaraha-miasa eo amin’ny roa tonta, notarihin’ny  Ben’ny  tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana an-daniny ary ny  talem-paritry ny Positive Planète International  Rtoa  Agnès Hiere an-kilany.  Mitentina 500. 000 Euros ny tentim-bidin’ny tetikasa hotanterahina. Famatsiam-bola avy amin’ny AFD (Agence Française de Développement), ny Région Ile de France ary ny Fondation Suez.  Hitantana ny tetikasa kosa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA) sy ny ONG Positive Planète International. Tanjona ny hampiakatra  ny fari-piainan’ireo mpaka fako miisa 1.000 ireo, amin’ny alalan’ny fanodinana ny fako voaangona  hisian’ny fidiram-bola hafa ary  hanomezana azy ireo fiahiana ara-tsosialy koa, hoy ny tale misahana ny raharaha sosialy ao anivon’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny  Dokotera Prisca Andriantseheno.  Efa nanomboka ary miasa amin’ny fokontany miisa 30 ny tetikasa, misandrahaka manerana an’ireo Boriborintany enina  eto an-drenivohitra. Haharitra 2 taona  ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny roa tonta  ho fampakarana ny fari-piainan’ireo mpaka fako eto Antananarivo Renivohitra.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

  • Tataho Manakara
  • Talata 22 Septambra 2026

Nahazo trano fonenana sosialy

  • FIANAKAVIANA
  • Talata 22 Septambra 2026

MAY TRANO TAO MAROVOAY

Hijery ny tohiny
FTT