Sosialy

Croix-Rouges Malagasy Nizara tohana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano 1200


  • Talata 28 Desambra 2021

Nitondra tohana ara-tsakafo ho an’ny tokantrano miisa 1200 any amin’ny kaominina Behara Distrikan’Amboasary Atsimo ny Croix-Rouge Malagasy any amin’ny tapany Atsimon’ny Nosy ny herinandro lasa teo.

 Fiaraha-miasa tamin’ny Croix-Rouges any Seychelles, Croissant-Rouge Turc, ary ny Fondation Peace Train. Ho famaliana ny tsy fahampiana ara-tsakafo izay mianjady amin’ny any Atsimo, dia niara-nisalahy nizara sakafo izy ireo, ka tanjona ny hitondra tohana ho an’ireo lasibatry ny haintany ao amin’ny Kaominina Behara Faritra Anosy. Vary 30kg avy, voamaina « poids de cap » 2kg, tsaramaso 2,5kg, menaka 3litatra no nositrahan’ny olona. Efa nanomboka ny taona 2020 no nanamafy ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo olona lasibatry ny kera ny Croix Rouges Malagasy, hoy Rtoa Alice Ralisoa, Filoha Nasionalin’ny Croix-Rouges Malagasy. « Amin’izao fotoana izao, dia misy ny faritra hafa, misy ireo olona hafa lasibatra ihany koa ka miezaka manao izay tratranay sy azonay hoentina eo anatrehan’izany izahay », hoy hatrany izy. Ahafahana miahy ireo olona mandritra ny 15 andro aloha io mba hisorohana ny tsy hivarinan’izy ireo any anaty tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika na « insécurité alimentaire aigue » voasokajy ao anatin’ilay hoe : « Priorité 1- IPC 4 En Urgence dans la classification ». Tafiditra ao anatin’ny famonjena vonjimaika ho an’ny mponina noho izany ny nataon’ny Croix-Rouges, saingy maneho izy ireo fa mikendry ihany koa ny tanjona antenantenan’ezaka ahafaha-manome ny hoenti-manana hanampy amin’ny filàn’ireo mponina.
Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

Hijery ny tohiny
FTT