Sosialy

CORPS DE PROTECTION CIVILE 16 taona namonjena ain’olona


  • Alatsinainy 25 Novambra 2019

Efa hofanina amin’ny famonjena ain’olona ihany koa ankehitriny ny miaramila.

 

 

 

 Lohalaharana amin’izany ny fanampiana ireo latsaka an-drano, ny fanavotana ireo tototry ny vatobe na trano nihotsaka toy ny nitranga teny Ampamarinana, ny hain-trano goavana…. Nivoitra ireo nandritra ny fankalazana ny faha-16 taona nijoroan’ny “Corps de protection civile” eny Ivato teto amintsika ny sabotsy lasa teo. Fantatra tamin’izany fa anjaran’ity CPC ity ny miandraikitra ny vonjy voina any amin’ny sehatra rezionaly raha an’ny sampana mpamonjy voina kosa ny eto Antananarivo sy ny manodidina. Na izany aza mifamatotra ny roa tonta ary samy manana tanjona hanavotra ny ain’olona sy ny fananany. Narahina fampisehoana ny traikefa efa hananan’ireo miaramila izany. Tsiahivina moa fa olona an-jatony no efa nahazo tombontsoa tamin’ny fijoroan’ity CPC ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT