Sosialy

COP 25 Hisitraka 150 tapitrisa dolara i Madagasikara


  • Alatsinainy 16 Desambra 2019

« 40 000 Ha ny velaran-tany novolena zana-kazo manerana ny nosy araka ny fanamby napetraky ny fitondram-panjakana tamin’ity taona ity kanefa tratra tao anatin’ny enim-bolana izany »,

 hoy i Georget Alexandre, minisitry ny tontolo iainana. Fanamby goavana no atrehina amin’ny taona 2020 satria hamboly zana-kazo 60 tapitrisa entina hankalazana ny fetim-pirenena. Nanokana ivontoerana lehibe hitobiana zana-kazo 80 tapitrisa ny ministera izay hozaraina maimaimpoana manomboka ny 19 janoary 2020. Hiditra ao anatin’ny « Guiness Mondial » isika Malagasy raha tojo izany ka antsoina ny vahoaka Malagasy na any ivelany aza hamboly zana-kazo, hoy izy. Ny zava-dehibe dia tsy ny fambolena azy ireo fa ny fanaraha-maso sy fiarovana ny fanirin’ireo hazo. Marihina fa avy nanatrika ny COP 25, fihaonambe iraisam-pirenena momba ny tontolo iainana, i Georget Alexandre. Niavaka ny hetsika tamin’ity andiany ity satria nisy fihaonamben’ireo minisitry ny tetibola maneran-tany. Raha tsy misy fiovana dia hisitraka 150 tapitrisa dolara isika amin’ny tontolo iainana aty amintsika. Nandritra ny tomban’ezaka nataony dia niantso ireo mpiara-miombonantoka ny minisitry ny tontolo iainana mba hanome fahatokisana an’i Madagasikara mahakasika ny « fonds vert pour le climat ». Mba Madagasikara mivantana no hisitraka io fanampiana io fa tsy mandalo amin’ireo vondrona samihafa intsony, hoy hatrany ny fanazavana.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT