Efa tadifitra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoanan’ny hatsiaka isika eto Madagasikara ankehitriny.
Mafy izany ho an’ireo olona sahirana ara-pivelomana, izay tsiahivina fa misy mamoy ny ainy mihitsy, antony nanosika ny orinasa Star hanohana ny tetikasan’ny “Consulat de Monaco”, ka manolotra bodofotsy ho ana fokontany miisa 10 eto Antananarivo. Nanomboka ny 03 ka hatramin’ny 11 jona ho avy izao no hanatanterahany ny hetsika. Omaly, ohatra, dia teny amin’ny fokontany Tanjombato Ankaraobato Andafiatsimo no nalehan’izy ireo. Nambaran-dRtoa Karine Razafindrakoto mpandrindra ny serasera eo anivon’ny orinasa Star fa tsy mitsahatra manohana ireo tetikasa samihafa entina hanampiana ny mpiarabelona ny orinasa misy azy. Mikasika ny fiaraha-miasa amin’ny Consulat de Monaco kosa dia fantatra fa manohana ilay tetikasa fanomezana vatsim-pianarana ho an’ireo mpianatra mendrika koa izy ireo. Bodofotsy miisa 1.000 no ezahina hotsinjaraina ary ireo ankizy latsaky ny dimy taona 100 isam-pokontany no nisitraka sy azy.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.