COMPASSION BEFELATANANA-NENY RIJA ETHEL

Nanatitra ronono sy bisikoitra ho an’ireo zaza tsy salama


  • Zoma 14 Jona 2024

Tia zaza loatra i Neny Rija Ethel, delegen’ny Boriborintany fahatelo teo aloha.

Mitohy amin’ny asa sosialy entina hanampiana ny mpiara-belona ny tenany. Taorian’ireo zaza miisa 3 tsy salama noraisiny an-tanana afak’omaly dia nizara bisikoitra sy ronono ary yaourt ho an’ireo ankizy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Befelatanana indray izy omaly Alakamisy 13 Jona. Ny fikambanana La Compassion Madagascar raha tsiahivina no miahy ireo zaza ireo saingy na izany aza mila tolo-tanana avy amin’ireo tsara sitrapo toa an’i Neny Rija Ethel hatrany ny fikambanana ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo Ray aman-dReny indrindra fa ireo Reny mananontena. Ho an’ireo zaza miisa 3 tsy salama raha tsiahivina kely dia nisy ny nodidiana hernie. Nassim no anarany izany vao 2 taona monja. Nisy ihany koa ny mila natao scanner maika be. Tsiry Fitiavana no anarany izao vao 3 taona sy tapany raha Larissa zazavavy kely vao 7 andro monja ny iray izay nomena fanafody hitsaboany tena. Manentana ireo vehivavy tsara sitrapo tahaka azy ity Renim-pianakaviana ity noho izany mba hanaraka ny diany ho fitsinjovana ny mpiara-belona.
Pati
Legende : Neny Rija Ethel nanolotra ronono sy bisikoitra ho an’ireo zaza tsy salama !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT