Ny tontolo iainana, ny fanabeazana ary ny fiarahamonina no tanjona telo napetraky ny CEMEAM, izay fikambanana mikarakara hetsika fialantsasatra iombonana (colonie de vacances).
Mbola betsaka ny olona liana amin`izy io saingy manahirana ny fotoana noho ny tetiandrom-pampianarana tsy mitovy, hoy Ramiaramanana Willy Georges, talen`io ivontoerana io sady mpampiofana eo anivon`ny CEMEAM. Miteraka olana izy io, indrindra eo amin`ny fandaminana anatiny. Marihana fa ireo mpanentana hanaraka ireo ankizy mandritra ny “colonie” dia olona nofaninana manokana momba ny fanentanana sady efa manana traikefa. Ny 04 aogositra ho avy izao no hanainga ho any Fenoarivo Atsinanana ireo ankizy miisa 70 miaraka amin`ireo mpanentana miisa 8 sy mpitsabo 2. Haharitra tapa-bolana izy ity. Tombony ho an`ny ankizy ny fitohizan`ny fianarana any amin`ny fialantsasatra, izay antsoina hoe “vacances educatives”. Mety misy zavatra tsy azo tany an-tsekoly ka hitarina any amin`ny “colonie”, hoy Ramiaramanana Willy Georges. Tombony ihany koa ny fianarana sakafo (education nutritionelle) sy fanabeazana ara-olombelona. Misy ankizy tsy mahay miara-miaina amin`ny namana noho ny fiaviana tsy mitovy. Ny fialantsasatra iombonana rahateo dia mampianatra ny ankizy hahaleotena. Eo ihany koa ny fanabeazana ara-kolontsaina satria hajaina ny fady sy ny fivavahana rehefa fotoana toy izao, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.