Sosialy

Collier Alefa Barea, Bapampa, Fehin-tanana Mahalany roa baoritra isan’andro ny mpivarotra iray


  • Alarobia 10 Jolay 2019

Taorian’ny fandresena miezinezina azon’ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara ny alahady lasa teo, ankoatra ny mpivarotra ny polon’ny Barea,

 

 dia nitombo ihany koa ireo mpivarotra haingon-tanana sy fehin-tanana ary “collier” misy soratra hoe Alefa Barea. Mandeha ny tsena, tsara ny tsena, satria ifanotofan’ny renim-pianakaviana, ny tovovavy, ireo mpitia baolina kitra, ireo  karazana haingo misy soratra Barea. Ho an’ity ramatoa mpivarotra azy ity etsy amin’ny Pavillon Analakely, dia nambarany fa mpivarotra hani-masaka no asan’izy mivady. Ilay rangahy sy ny zanany no mivarotra io sakafo masaka io, fa izy kosa nivarotra ireo karazana haingo misy Barea. Hatramin’ny nanombohan’ny  Can, dia zara raha nandeha ny tsena, fa rehefa tafita ary tafiakatra  ny Barea dia nandeha ny tsenany ary nampiany avo roa heny aza ny entana namidy. 2000 ariary ny collier iray, 5000 ariary ny Bapampa ary 2500 ariary ny fehin-tanana izay samy misy ny sary sy soratra Alefa Barea avokoa. Nambaran’ity mpivarotra fa mahalany roa baoritra isan’andro izy amin’ny fehin-tanana sy “collier”. Ny Bapampa kosa zara raha mandeha noho ny vidiny sy ny masonkarenany. Noho ny fanohanan’ny Malagasy ny ekipa Malagasy no voalazany fa mampandeha ny tsenany.

 

Sitraka r.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT