Mahatratra 100 isam-bolana ny fitarainana voarain’ny CNIDH na ny vovonana miaro ny zon’olombelona eto amintsika.
Ankoatra ny resaka ady tany dia anisan’ny mampitaraina fatratra ny maro ihany koa ny herisetra ao an-tokantrano mahazo ireo vehivavy toy ireo tsy omen’ny vadiny vola, ireo voakasi-tanana…. Mba hahafahana mamaha izany olana izany ary dia nitety faritra ny CNIDH nanomboka ny zoma lasa teo ka hatramin’ny rahampitso talata 12 jolay. Toerana maro no holalovany mandritra izany toy ny ao Manjakandriana, Moramanga, Vatomandry, Mahanoro, Brickaville. Ankoatra ny fanentanana hataon’izy ireo amin’ny ady hatao amin’ny herisetra, ny zon’olombelona amin’ny ankapobeny sy ny zon’ireo sokajin’olona marefo dia hisy ihany koa ny fandraisana fitarainana hataony avy amin’ny tsirairay toy ny olon-tsotra, ny fikambanana, ...Holalovan’izy ireo ihany koa ny fonja hanarahany maso manokana mikasika ireo tranga mety ho tsy fanajana na fanitsakitsahana ny zon’olombelona. Farany izay tsy kely moa dia hijery ny tontolon’ny fonja sy ireo voafonja ary ireo toeram-pitazomana olona hiatrika famotorana ihany koa ny CNIDH hahafahana mametraka ny fomba ho enti-misoroka ny mety ho trangana herisetra.
Nangonin’i Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.