Sosialy

CNaPS Vontovorona Olona araha-maso miisa 67 no mihiboka eny


  • Sabotsy 28 Martsa 2020

Anisan’ny toerana hametrahana ireo olona araha-maso ara-pahasalamana akaiky amin’izao fisian’ny valan’aretina Coronavirus eto Madagasikara izao ny eny amin’ny fotodrafitrasan’ny

 

 

CNaPS eny Vontovorona.Henjana dia henjana ny fiambenana ataon’ireo zandary mirongo fitaovam-piadiana.Tsy misy ny olona mahazo miditra na mivoaka ao, afa-tsy ny dokotera ihany na izay olona nahazo alalana avy amin’ny dokotera.67 ny olona mihiboka eny raha araka ny fantatra ary tena tsara ambina, nitsirika teny Vontovorona omaly ny sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena ny Jeneraly Richard Ravalomanana ary mbola nanafatrafatra ireo zandary miasa eny fa mila faran’izay hentitra ny fanaraha-maso satria ho zava-doza raha sanatria misy amin’ireo olona mihiboka eny nootafaporitsaka mivoaka tampoka, ohatra na koa olona avy aty ivelany no mivoaka miditra eny.Manana kahie handraiketana ny zava-mitranga rehetra eny an-toerana ireo mpitandro filaminana miambina eny ka voaray avokoa ny hoe iza sy iza no nandalo teny, sy ny hoe fiara marika inona sy laharana firy ary nanao inona no tonga teny, tahaka izany ihany koa ny fandraisana ny fidiran’ireo entana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT