Sosialy

CNaPS teny amin'ny LMA Niresaka momba ny fiahiana ara-tsosialy


  • Alatsinainy 28 Desambra 2020

Nihaona tamin’ ny mpianatra ao amin’ ny kilasy faharoa, ao amin’ ny Lisea Maoderina

 

 

Ampefiloha (LMA) ny tale jeneralin’ ny Tahirim-pirenena misahana ny fiahiana sosialy (CNaPS), Mamy Rakotondraibe, ny herinandro lasa teo. Nisy ny fampahafantarana ny mombamomba ny fiahiana ara-tsosialy sy ny andraikitrin’ ny CNaPS toy ny fanampiana omena ny fianakaviana, ny fisotroan-dronono, ny solon-takaitra raha sendra loza am-perinasa, ny reny bevohoka sy ny volan-jaza, sns… Namaly ireo fanontaniana nanitikitika ireo mpianatra ny tale Mamy Rakotondraibe ary tsy nisy elanelana teo amin’ny andaniny sy ny ankilany. Marihana fa zava-dehibe ny kilasy faharoa ho an’ ny mpianatra satria io no fotoana handraisana fanapahan-kevitra mikasika ny sampam-pianarana ka izay indrindra no nahatonga ny CNaPS nisafidy azy ireo amin’ izao fihaonana izao. Nanambara moa ny teo anivon’ ny CNaPS fa ho filamatra santatra ity fihaonana amin’ ny mpianatra natao teny amin’ ny LMA ity ary hotohizana amin’ ny taona 2021.

 

 Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT