Sosialy

CNaPS tany Vatomandry 43 indray no nofanina momba ny fiahiana ara-tsosialy


  • Alakamisy 13 Jona 2019

Miisa 43 ny mpampiasa sy mpiasa ao anatin’ny distrikan’i Vatomandry faritra Atsinanana nihaino sy nandray an-tsoratra ireo pitsopitsony momba ny lalàna mifehy ny asa.

 

 

 

 Ny CNaPS no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana ny fiofanana satria tanjona ny hanomezana fiahiana ara-tsosialy tsy miangatra ho an’ny rehetra. Naharitra 3 andro ny hetsika izay natao tao amin’ny hôtel Manga Lodge Vatomandry. Nisy ny fanatevenana ireo izay efa fantatry ny rehetra toy ny fisotroan-dronono. Nohazavaina antsipirihany ihany koa ny dingana arahina rehefa hanao fangatahana, ireo karazana fanampiana azon’ny fianakaviana sy ny fanampiana omen’ny CNaPS ny mpiasa raha sanatria ka tra-doza am-perinasa na voan’ny aretina. Ny fanampiana rehetra eo anivon’ny CNaPS moa dia hanaovana fangatahana avokoa. Efa misy ny taratasy alaina maimaimpoana sy fenoina fotsiny eny amin’ny masoivohon’ny CNaPS manerana ny Nosy. Misy ny tsy nahay nameno azy ireny ka natoro nandritra ny fiofanana miaraka amin’ny zavatra hafa tsara ho fantatra toy ny fanambarana momba ny karama tsy maintsy ataon’ny mpampiasa isan-telo volana, ohatra.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT