Maro ireo orinasa vao misokatra ao an-tampon-tanànan’ Ambilobe, mampiasa olona an’arivony maro. Ny ankamaroan’ireo mpampiasa anefa dia tsy manao fanambarana eny anivon’ny Tahirim-pirenena amin’ny fiahiana ara-tsosialy (CNaPS),
izay andrimpajakana mifandray amin’ny minisiteran’ny asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna Sosialy ary koa ny minisiteran’ny vola, ny toekarena sy ny tetibola, ka maro be ireo mpiasa no very zo ao an-toerana. Manararaotra ireo mpampiasa noho ny tsy fahampian’ny fanaraha-maso amin’ny maha toerana lavitra azy ka dia tsy mahalala akory fa misy zo tokony hositrahan’ireo mpiasa.« Mitaky izahay ka mitaky fanentanana amin’ny radio sy televiziona mba ampahafantarina ny olona rehetra ny tena andraikitra sahanin’ny CNaPS satria dia maro no tombontsoa tokony ho azon’ny rehetra ao anefa dia maro ny mpiasa no very zo, noho ny tsy fahalalana. Eto Ambilobe dia maro ny orinasa tsy miankina misokatra izay misy mampiasa hatramin’ny dimampolo (50) mpiasa nefa dia tsy misy na iray aza no misoratra amin’ny CNaPS. Ka mangataka izahay mba ho mafy ny fitsirihana atao amin’ireny orinasa ireny satria dia fandikan-dalàna izany ary midika koa ho tsy fanajana ny zon’ny mpiasa », hoy i Jimmy Mohamad Abdou, mpiasa misahana ny fitantanana amina sekoly frantsay ambaratonga voalohany ao Agnôrognala Ambilobe. Fanambarana izay nohamafisin’andriamatoa Randriamifidy Tahiry Ambinintsoa lefitry ny sefo distrika Ambilobe izay tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana sy fanakatonana ny fiofanana. « Vonona ny tenako, hoy izy hitarika ny mpanao fitsirihana ao amin’ny CNaPS eny anivon’ireny orinasa ireny satria dia hainay tsara avokoa ny misy azy ireny ». Fa taorian’ny fanofanana ny orinasa tsy miankina dia nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpiasa eo anivon’ny sahan’ny Fiangonan’i Jesosy Kristy eto Madagasikara. Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny rehetra no tarigetra. Naharitra roa andro ny atrikasa ny alakamisy 21 sy ny zoma 22 jona tao amin’ny FJKM Ambilobe Kristy Mpanjaka. Fiofanana izay tafiditra tao anatin’ny fifanaraham-piaraha-miasan’ny FJKM sy ny CNaPS. Fitopolo (70) ireo mpandray anjara izay nahitana ny solontenan’ny Mpitandrina, Mpampianatra ary ireo mpiasan’ny SAF FJKM avy any amin’ny synodam-paritany Antsiranana I sy II, Mahavavy (Ambilobe), Sambirano (Ambanja) ary Nosy Be.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.