Notohizana tany Antsirabe ny fampiofanana momba ny CNaPS izay naharitra 3 andro nanomboka ny 26 febroary ary nifarana ny 28 febroary. Maro sosona ny hetsika.
Tao ny atrikasa fampiroboroboana ny fiahiana ara-tsosialy, ny fampahafantarana ny zon’ny mpiasa sy ny adidin’ny mpampiasa, ny fanomezana tan-tsoroka ireo orinasa mikasika ny maha zava-dehibe amin’ny fananana fiahiana ara-tsosialy, ny tranoheva manakaiky vahoaka, ny CNaPS mitety vohitra ary ny klioba CNaPS Zandriolona. Betsaka amin’ny mpiasa ao Vakinankaratra no tsy mahalala ny antony hanefany ny latsakemboka 1% amin'ny karamany any amin'ny CNaPS. Iny latsakemboka aloa any amin’ny Tahirim-pirenena iny no mivadika fanampiana ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany ka handoavana ny fiahiana ny ankohonana, ny fiantohana ny loza am-perinasa sy ny aretina vokatry ny asa ary ny fisotroan-dronono. Mpandray anjara 200 mahery avy amin'ny sehatra tsy miankina no nampianarin’andriamatoa Rasoanaivo Didier, talen’ny fenitra sy ny fikarohana eo anivon’ny CNaPS foibe, ny tombontsoan’ny mpiasa tao amin’ny Diantana Antsirabe. Niara-nisalahy nampahafantatra ireo andinin-dalàna mifehy ny asa ny ekipa avy amin’ny SASS (Service d’Actions Sanitaires et Sociales). Nifanindran-dalana tamin’ity atrikasa ity ihany koa ny fandaharan’asa fampivoarana ny fiahiana ara-tsosialy (PPPS). Asa izay niarahan'ny CNaPS tamin'ireo sendikà, ny mpitsara, ny mpanao gazety ary ny fiarahamonim-pirenena tao amin'ny Espace Rojo Antsirabe. Tafatsangana tamin’izany ny komitim-paritra ho fampivoarana ny fiahiana ara-tsosialy ka Atoa Radiomanana Jocelyn no filohany. Izy ireo no hanaitaitra ny mpampiasa hanefa ny adidiny sy hampahatsiahy mandrakariva ny mpiasa amin'ny zony ka hampitombo isa ny mpampiasa sy mpiasa hiditra ao amin'ny CNaPS. Ankoatra ireo dia nisy ny fihaonana savaranonando nataon’ny CNaPS tamin’ireo mpampiasa sy tompona sekoly tsy miankina miisa 40 tao Vakinankaratra. Tanjona ny tsy hahavery zo ny mpiasa Malagasy. Ankoatra ny fivoriana sy atrikasa dia nidina ifotony teny amin’ny vahoakan’i Vakinankaratra ny ekipan’ny CNaPS tamin’ny alalan’ny tranoheva manakaiky vahoaka sy ny “guichet forain” na ny CNaPS mitety Vohitra. Nisy ihany koa ny fanentanana mikasika ny aro loza eny anivon’ny toeram-piasana ka orinasa maro no nanaovan’ny tahirim-pirenena firotsahana.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.