Sosialy

CNaPS sy ny Sendikan’ny mpitatitra Mifanome tanana ho an’ny asa mendrika


  • Alakamisy 04 Jolay 2019

Voatsangana ny komity iraisan’ny CNaPS sy ny sendikan’ny mpitatitra hitondra ny fanentanana manerana ny Nosy mba hisian’ny fiahiana ara-tsosialy ho azy ireo.

 

 

Nisy ny fiofanana roa andro natao teny amin’ny Foiben’ny CNaPS teny Ampefiloha natrehin’ireo olona 80 avy amin’ny Sendikan’ny mpitatitra, ka nivoitra fa ny ampahany betsaka amin’ireo mpiasan’ny fitaterana an-tanety, an-dranomasina, ana habakabaka no miaina ao anatin’ny gaboraraka sy tsy mbola misitraka  asa mendrika, raha fanazavan’ny sendika. Mandeha amin’ny fahazarana ary minia mikipy manoloana ny lalàna misy ny mpampiasa.  « Manan-jo ny mpiasa rehetra ka ilaina ny fisitrahana izany » hoy Rtoa Ravaomalala Hantanirina Harijaona Docteur eo anivon’ny SOFITRANS.  Niompana tamin’ireo tsara ho fantatra momba ny fiahiana ara-tsosialy omen’ny CNaPS moa ny vontoatin’ny atrikasa. Nanamafy ny CNaPS fa ny fidirana ho mpikambana sy ny fandrotsahana ny latsakemboka ihany no fanalahidin’ny fahazoana ny fanampiana omena azy ireo. Ny latsakemboka aloa no mivadika fanampiana izay omena ny mpiasa manomboka any am-bohoka ka mandra-pahafaty. Notsindriana manokana ny fanampiana azon’ny mpiasa raha sanatria tra-doza am-perin’asa. Maro rahateo ny loza miseho amin’ny sehatry ny fitaterana kanefa dia miala maina ireo mpiasa, ary verivery fotsiny ny zon’izy ireo. « Hiasa ny komity manomboka izao ary tsy azo ihodivirana ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy », hoy Rakotondradano Hanitry Ny Aina, mpandrindra ny tetikasa eo anivon’ny CNaPS Foibe.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT