Laharam-pahamehana ny fanomezana asa mendrika ho an’ny mpiasa Malagasy manerana ny Nosy.
Tafiditra ao anatin’izany ny fanomezana fiahiana ara-tsosialy ho an’ny mpiasa tsy an-kanavaka izay hitondran’ny CNaPS fanentanana ny mpampiasa sy ny mpiasa ny lalàna mifehy ny asa, ny zon’ny mpiasa, ny fifanarahana arak’asa, ny fiahiana ara-tsosialy rehetra manomboka any am-bohoka,… Anjaran’ny Distrikan’i Manakara no nandray ny fampiofanana mikasika ny fiahiana ara-tsosialy izay nokarakarain’ny CNaPS sy ny Ministeran’ny Asa ny 10-12 Jolay 2019, tao amin’ny Salle d’Œuvre LPM (Lycée Présentation de Marie) fokontany Antanambao Manakara. Mpampiasa, mpiasa, lehiben’ny orinasa, mpiasam-piangonana, fikambanana tsy miankina miisa 100 no nisitraka izany, ka anisany nanokatra ny fiofanana tamin’ny fomba ofisialy ireo manam-pahefana tao an-toerana izay nahitana ny prefet, ny lefitry ny ben’ny tanàna, ny lehiben’ny faritra, ny talem-paritry ny asam-panjakana, ny fampananan’asa ary ny fiahiana ara-tsosialy,ny talen’ny CNAPS Manakara Atoa Randriamamonjiarison Rivo. Anisan’ny nahaliana ireo mpiofana ny fampahafantarana ny atao hoe “Santé et sécurité au travail” na ny fiahiana ara-pahasalamana sy ny aro loza eny amin’ny toeram-piasana. Nohazavaina antsipiriany momba ny fikajiana ny vola tokony ho azo amin’ny trangan-javatra miseho amin’ny mpiasa toy ny loza sy ny aretina ary ny nahaliana ny maro dia ny fisotron-dronono .Nisy ny fidinana ifotony sy ny fitetezan’ny “TASK FORCE” nahitana ny tompon’andraikitra avy amin’ny Ministeran’ny Asa sy ny CNaPS ireo orinasa tsy miankina tao Manakara hatrany Vohipeno.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.