CNaPS sy ireo tale misahana mahaolona

Nanasonia fifanarahana mikasika ny zon’ny mpiasa


  • Alatsinainy 23 Oktobra 2023

Nandray anjara tamin’ny fivorian-dehibe niaraka tamin’ny fikambanan’ireo tale misahana ny mahaolona na DRH

tao Antsirabe ny CNaPS na Tahirim-bolam-panjakana hitsinjovana ny sosialim-bahoaka ny 20 oktobra teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Nampahafantarina nandritr’izany ny stratejiam-pitantanana vaovaon’ny CNaPS ary narahana adihevitra lalina momba ireo toe-javatra heverina fa manan-danja ao anatin’izany fitantanana izany, hoy ny fanazavana. Isany ny mikasika ireo fepetra fototra, ny atao hoe orinasa tomponandraikitra sy miray hina, ny mikasika ny famerenana anaty tontolon’ny asa ireo manan-kilema, ny fahafaha-misitraka ny fiahiana sosialy ao amin’ny CNaPS. Heverin’ny CNaPS ho zava-dehibe ny anjara toeran’izany atao hoe DRH izany eo anivon’ny orinasa ka antony nanasoniavan’ny rafitra 2 tonta fifanarahana. Isany voarakitra anatin’izany ny mikasika ny fiahiana ny zon’ireo mpiasa eto Madagasikara, ny fiahiana ara-tsosialy ary ny fampitoviana lenta ny mpiasa ao anatin’ny toeram-piasana misy azy, hoy hatrany ny fanazavana.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT