Sosialy

CNaPS- SASS Brickaville Tombotsoa ho an’ny mpiasa ny fiahiana ara-tsosialy


  • Zoma 31 Mey 2019

Tsy diso anjara tamin’ny fanentanana momba ny fiahiana ara-tsosialy ataon’ny CNaPS na ny Tahirim-pirenena momba ny fiahiana ara-tsosialy ny tao Brickaville.

 

 Nifantoka tanteraka tamin’ny fampahafantarana ny asan’ny CNaPS sy ireo fepetra arahina amin’ny fandraisana ny zo mikasika ny fiahiana ara-tsosialy eny anivon’ny orinasa ny fiofanana. Atoa Andrianarijaona Charles Emilson, lehiben’ny Sampandraharaha SASS eo anivon’ny CNaPS no  nampianatra ireo lalàna mifehy ny asa sy ny zo mifanaraka amin’izany, ny fifanarahana arak’asa amin’ny fotoana voafetra ( na Contrat à Durée Détérminée) sy tsy voafetra (na Contrat à Durée Indeterminée), ny fampidirana mpiasa sy ny fandroahana ary ny tsy maintsy handrotsahana latsakemboka,… Nandritra ny fiofanana ihany koa dia nampahafantarina ireo mpandray anjara ny karazana tolotra omen’ny CNaPS ankoatra ny fisotron-dronono izay tena ahafantarana azy, toy ny volan-jaza, ny volan’ny bevohoka, ny atsasa-karama ho ann’y vehivavy mandeha miteraka, ny solon-takaitra raha misy ny loza azo avy amin’ny asa, na ny aretina vokatry ny asa. Tonga mavitrika niofana ireo seha-pihariana samihafa nahitana ny mpivarotra mpaninjara, ny sampandraharaham-panjakana mampiasa ECD, ny Kaominina, ny ONG, ny Sekoly tsy miankina, ny mpitondra fivavahana, ny Foibem-pambolena ary koa ny olo-tsotra.Ireo no lasa ho ambasadaoron’ ny  CNaPS eny amin’ny toram-piasany ka hanentana ny olona fa zava-dehibe ny fidirana CNaPS sy ny fananana fiahiana ara-tsosialy. “Adidy fa tsy safidy ary ny lalàna no mametraka ny fampidirana mpiasa ho mpikambana eo anivon’ny CNaPS. Maro ny mpampiasa mbola miala andraikitra. Mavitrika kokoa ny mpiasa miasa rehefa mahazo ny zony feno. …Aza miandry fahanterana vao hikoropaka satria efa tara loatra. Misy fepetra ny fahazoana fisotron-dronono.”, hoy Atoa Randrianjanaka Daniel, Fondé de Pouvoir eo anivon’ny CNaPS izay nisolo tena ny Tale Jeneraly mpisolo-toerana Rtoa Tsaboto Joslina.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT