Sosialy

CNaPS Nosokafana tany ambositra ny taom-piasana 2019


  • Alatsinainy 18 Febroary 2019

Taorian’ny fahazoan'ny CNaPS ny fankasitrahana iraisam-pirenena momba ny fahaiza-mitantana avy amin'ny AISS tany Génève dia tsy mitsahatra ny manatsara ny tolotra omeny ny Tahirim-pirenena ka nosokafana tao Ambositra ,faritra amoron'i Mania ny taom-piasana 2019 ka hetsika maro sosona no notanterahina tamin’izany nandritra ny telo andro.

 

Natomboka tamin’ny atrikasa ho fampivoarana ny fiahiana ara-tsosialy( na PPPS) tao amin’ny hôtely La Piscine Escapade Ambositra. An-jatony mahery ireo mpandray anjara avy amin’ny sehatra tsy miankina nampahafantarina ireo tolotra 03 omen'ny CNaPS ho an'ny mpikambana ao aminy. Voalohany ny faanampiana ny fianakaviana, faharoa ny fanampiana raha tra-doza am-perinasa na marary vokatry ny asa ary fahatelo ny fisotroan-dronono. Nambaran’ny tale jeneraly Arizaka Rabekoto Raoul Romain nandritra ny lahateny nataony fa: "ny zavatra vita hatramin'izao dia ny fiahiana ny mpiasa tsy miankina kanefa kosa raha ny fihevitry ny CNaPS, dia maro ny sehatra  mila izany fiahiana izany, ary mila ezaka be tokoa ka mba hiitatra ho amin'ny tantsaha sy amin'ny asa hafa ivelan'ny tsy miankina ny sehatra iasan'ny CNaPS.  Nanomboka ny talata 12 febroary 2019 teo ny hetsika nataon'ny CNaPS tany amin'ny tanànan'Ambositra ary nifarana ny alakamisy 14 febroary. Ry zareo avy ao amin'ny “Service d'Actions Sanitaire et Sociale” (SASS) no nisantatra ny fanofanana ho an’ireo mpiasa sy mpampiasa amin'ny sehatr'asa rehetra ao Ambositra.  Nahatratra 200 mahery ireo tonga niofana tao amin'ny efitrano malalaky ny FARK Md Josefa Avaratsena. Niompana tamin’ny zo sy ny hoavin’ny mpiasa, ny andraikitry ny mpampiasa manoloana izany zo izany ny fiofanana.

 

CNaPS manakaiky vahoaka

 

Fa anisan'ny  nanamarika ny fanombohana ny asan’ny CNaPS ho an'ny taona 2019 CNaPS  ny fisian'ilay “tantsoroka sy torohevitra”.  Izy ity moa dia fidinana ifotony ho fampahafantarana ny mpiasa tsy miankina ny tombontsoa  azony raha miditra ho mpikambana CNaPS izy. Ary manentana ny mpampiasa ihany koa amin'ny adidiny ny CNaPS mba hahafahan'ireo mpiasa ao aminy mahazo ny zony .

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT