Sosialy

CNaPS – Minisiteran’ny asa tany Mananjary Zon’ny Malagasy ny manana asa mendrika


  • Alarobia 03 Jolay 2019

Ny atao hoe “asa mendrika” dia fananana fiahiana ara-tsosialy sy fiahiana ara-pahasalamana ary miasa lavitry ny loza.

 


 Fanentanana ny mpampiasa mba hampanjaka ny asa mendrika no antony nahatonga ny minisiteran’ny asa, ny fampananana asa, ny asam-panjakana sy ny lalàna sosialy ary ny CNaPS nidina ifotony tany Mananjary nandritra ny telo andro. Tsy nanavahana ny fidinana ifotony fa voakasika avokoa ireo seha-pihariana tany an-toerana, toy ny orinasa mpiompy amalona, ny mpanao mofo dipaina, ny tranombarotra lehibe isan-karazany, ny ivontoerana fitaizana zaza kamboty sy zaza kambana, ny mpandraharaha, ny mpivarotra … Ireo sehatr’asa rehetra ireo mantsy dia ny CNaPS avokoa no miandraikitra ny fiahiana ara-tsosialiny. Ho an’ny sehatr’asa ankapobeny, 13% ny latsakemboka adidy tsy maintsy efain’ny mpampiasa ary 1% alaina amin’ny karaman’ny mpiasa isam-bolana. Ho an’ny sehatry ny fampianarana sy ny fambolena dia 8% ny an’ny mpampiasa ary 1% hatrany ny an’ny mpiasa. Ireny latsakemboka aloa any amin’ny CNaPS ireny no mivadika fanampiana ho an’ny mpiasa sy ny vady aman-janany ka mahatonga ny mpiasa sy ny ankohonany mahazo ny volan’ny bevohoka, ny volan’ny mpitaiza kely, ny volan-jaza, ny fanonerana ny vola lany tamin’ny fiterahana ary ny antsasa-karama ho an’ny vehivavy miasa nandeha niteraka. Fotoana izao hamantarana ny tena orinasa misy ao Mananjary, hoy ny lehiben’ny distrika any an-toerana satria misy amin’ireo orinasa no miovaova anarana hatrany. Ireo ekipa ao anatin’ny “Task Force” dia tsy mitsahatra ny mampahafantatra fa tapaka teo anivon’ny Filankevitry ny minisitra ny 3 mey lasa ny fanentanana ny rehetra mba hananan’ny mpiasa fiahiana ara-tsosialy. Telovolana ny asa fanentanana ka aorian’izay dia ho avy  ny sazy.

 

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

  • HONORAT FOU HEHY
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Niainga omaly hariva hiazo

  • KAOMININA
  • Alatsinainy 13 Aprily 2026

AMBOHIDRAPETO

Hijery ny tohiny
FTT