Sosialy

CNaPS Manolotra tohana roa vaovao


  • Talata 03 Novambra 2020

Ny CNaPS dia manamafy hatrany ny vinany hatramin` izay amin'ny alàlan' ny famolavolana fanampiana vaovao ho an'ireo misotro ronono sy ireo tsy an'asa.

 

Taorian'ny fahombiazana ny Tsinjo Fameno, ny CNaPS dia nanolotra fanampiana roa vaovao amin` ny amin` ny alalan` ny vola, ny tahirim-bola momba ny fahasalamana sy sosialy natao ho an'ireo misotro ronono, ary ireo tsy an'asa noho ny valanaretina COVID-19: -fanampiana voalohany, ny “tohana ara-bola ho an` ireo mpisotro ronono sy ireo “rentiers””: fanampiana tsy averina vola, sy indray mandeha ho an` ireo mpisotro ronono mandray fisotron-dronono isaky ny telo volana na mandray “rente” latsaky ny 600 000 ariary. Marihana fa tsy misy dingana atao ho an`ireo mpisotro ronono sy “rentiers” mba hahafahana misitraka izany fanampiana izany ka manomboka ity volana ity hatramin` ny desambra 2020 miaraka amin`ny fisotron-dronono sy ny “rente”. Fanampiana faharoa, “tohana ho an`ireo tsy an`asa”: mitentina 175 000 ariary ny lelavola azo ary tsy averina indray mandeha ho an` ireo mpiasa voakasika ny “Déclaration Nominative des Salaires” tamin` ireo telo volana faharoa, fahatelo ary fahaefatra tamin`ny taona 2019 sy tamin` ny telo volana voalohany amin` ity taona 2020 ity. Voakasika izany koa ireo nahazo ny atao hoe “avis de débauchage” teo anivon` ny CNaPS teo anelanelan` ny 01 martsa sy 30 septambra 2020 ary tsy mbola nahita asa taorian`izay. Nandritra ny fanokafana ofisialy an` ireo fanampiarana roa ireo tany Taolagnaro dia nanambara ny minisitry ny asa (MTEFPLS) fa “ankehitriny, mpiasa mpikambana amin`ny CNaPS very asa vokatry ny aretina COVID-19 miisa 15 000 sy mpisotro ronono sy “rentiers” 55 000 no mandray fisotro-dronono latsaky ny 600 000 ariary. Amin` ny alalan` ireo fanampiana sy hetsika ataon` ny CNaPS, ny fiahiana ara-tsosialy dia mipaka mivantana amin`ny fiainana andavanandron` ny mpiasa ary efa tsapa ankehitriny ny ezakin` ity orinasa ity” .

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FIAROVANA NY
  • Talata 05 Mey 2026

FAHASALAM-BAHOAKA

  • KAOMINÎNA TALATAMATY
  • Alatsinainy 04 Mey 2026

Tantsaha an-jatony nahazo tohana

  • ANDRAVOAHANGY
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Hitadiavana vahaolana maharitra ny ranobe mandavan-taona

  • Karama farany ambany
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Nifampidinika ny mampiasa sy ny sendikan’ny mpiasa

  • Faritra Atsimo Andrefana
  • Alatsinainy 20 Aprily 2026

Hisitraka rafitra famatsian-drano miisa 168

  • Vary tsy tafavoaka tany Alaotra
  • Zoma 17 Aprily 2026

Hovidian'ny orinasa SPM 1700 Ar ny kilao

Hijery ny tohiny
FTT