Nihena hatramin` ny 77% nandritra ny telo volana voalohany taona 2020 ny sehatrasa rehetra manerana ny nosy. 62% izany ho amin`ny telo volana faharoa, araka ny tatitry banky foiben`i Madagasikara.
Efa maro an` isa ireo orinasa nakatona varavarana. Vokany, nitombo isa ireo very asa ary fatiantoka ho an` ny toekarem-pirenena. Manoloana izany, namolavola fandaharan`asa ny CNaPS ho fanampiana ireo mpikambana ao aminy izay misedra fotoan-tsarotra, ary hanampy azy ireo amin'ny fampidirana indray ao anatin` ny tontolon` ny asa amin'ny alàlan' ny fampiofanana. Araka izany, natao sonia, omaly, ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin`ny CENAM, ny CCIFM, ny CDA ary ny MPE izay notontosaina tao amin'ny foiben' ny CNaPS etsy Ampefiloha. Nambaran`ny filohan`ny CCFIM, André Beaumont,fa « mampidera ity hetsika hamerenana ireo very asa ao anatin` ny tontolon` ny asa ataon` ny CNaPS ity Nanamafy hatrany ny tale mpanatanteraka eo anivon` ny Conseil de Développement d’Andohatapenaka (CDA) fa « nandritra ny 35 taona nijoroany, ny CDA dia nampiofana tanora an`arivony. Mampivoatra ny tontolon` ny asa izao tetikasa izao. Maniry izahay mba hahitan` ireto mpiofana asa haingana.” ”. Nilaza ny tale jeneralin` ny CENAM Fabienne Ralahy, fa « ity fifanarahana ity dia misokatra koa ho an`ireo misehatra amin`ny asa-tanana eo anivon` ny CENAM. Miisa 45 mpisehatra efa nahavita ity fiofanana ity tamin` ny alalan` ny fandaharan`asa ». Torak`izany ihany koa ny sehatry ny fiompiana, hoy Andriamananarivo Rabearivelo, filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Malagasy Professionnels de l’Elevage (MPE). Ny fampiharana an` ity fifanarahana ity dia mifanaraka amina drafitrasa iraisana miisa efatra: Famantarana sy fanentanana ireo olona hatosika sy ho fampiroboroboana ny fidiram-bolan` izy ireo (activités génératrices de revenu); Fiofanana ara-teknika arakaraka ny filàny; Fampiofanana ireo mpampiofana raha ilaina; Fanohanana ny fampiroboroboana ara-barotra, indrindra ny fikarohana ireo toeram-pivarotana ho an'ny vokatra vokariny. Legende : Nandritra ny fifanaovana sonia fiaraha-miasa eo amin`ny CENAM, ny CCIFM, ny CDA ary ny MPE izay notontosaina tao amin'ny foiben' ny CNaPS etsy Ampefiloha omaly .
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.