Sosialy

CNaPS - FLM Vohipeno An-jatony ireo mpianatra ao amin’ny SEFAFI nahazo fiofanana


  • Talata 09 Oktobra 2018

Seha-pamokarana lehibe fototry ny fampandrosoana eto Madagasikara ny fambolena sy ny fiompiana izay hiantsorohan’ny 80%-n’ny Malagasy.

 Tsy mbola  manana ny fiahiana ara-tsosialy sahaza azy anefa ity sehatra iray ity, antony  nahatonga ny CNaPS tantanin'ny Tale jeneraliny, Atoa Arizaka Rabekoto Raoul sy ireo mpiara-miasa aminy hametraka vina goavana mba hahafahan’ireo mpamboly sy mpiompy Malagasy misitraka ny zony. Ny Fiangonana Loterana Malagasy (FLM), izay efa nanao sonia fifanaraham-piaraha-miasa niaraka tamin’ny CNaPS ny volana oktobra 2017 lasa teo moa dia fiangonana manana toeram-panofanana 2 lehibe eto Madagasikara hanofanana ireo tanora Malagasy  mikasika ny Fambolena sy ny Fiompiana dia ny SEFAFI (Sekoly Fambolena sy Fiompiana) ahitana ny SEFAFI Tombontsoa  Antsirabe sy ny SEFAFI Fihaonana Vohipeno. Nahazo fampiofanana niaraka tamin’ny CNaPS foibe izay notarihan’Atoa  Andriantsalama Manan’Iala, Talen’ny informatika sy Atoa Rakotomalala  Yvan, Mpandrindra ny sampandraharaha  ity farany ny alakamisy 4 sy ny zoma 5 oktobra 2018 lasa teo tao amin’ny efitrano malalaky ny SEFAFI Fihaonana Vohipeno. Nahatratra 150 mahery ireo mpandray anjara nahitana ny mpianatry ny SEFAFI Fihaonana, ny Pastora sy Katekista eo anivon’ny Synodam-paritanin’i Manakara ary ny avy ao amin’ny Sekoly Katolika Vohipeno sy ireo mpiasan’ny hopitaly Henintsoa Fihaonana. Ankoatra ny fampahafantarana ny adidin’ny mpampiasa sy ny zon’ny mpiasa dia nohazavain’Andriantsalama  Manan’Iala, talen’ny informatika eo anivon’ny CNaPS tamin’ireo mpiofana ny tsiambaratelon’ny fahaiza-mitantana mahomby (leadership et culture de résultat). Nohazavaina antsipirihany ihany koa ny fampahafantarana ny lalàna mifehy ny asa, indrindra ny lalàna momba ny zo ara-tsosialy, ny CNaPS sy ireo tolotra omeny mandrakantitra…

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

  • FIKAMBANANA FANJIRY
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Nanadio lakan-drano

  • AKANJO, KIRARO,
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

KOJAKOJAN-TOKANTRANO

  • Fananan-tany
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

ao Nosy Be Hell Ville

  • Fanohanana
  • Talata 22 Septambra 2026

ireo marefo sy mananan-kilema

Hijery ny tohiny
FTT