Sosialy

CNaPS – FLM Hatomboka ny tetikasa fisotroan-dronono fanampiny


  • Talata 26 Mey 2020

Hiroso amin’ny fisotron-dronono fanampiny ny eo anivon’ny FLM (na ny Fiangonana Loterana Malagasy) ka ny Synoda Atsinanana no natao filamatra amin’izany.

 

Nandritra ny

roa andro arak’izany ny 20 sy 21 mey lasa teo dia nidina ifotony tany Vangaindrano ny

CNaPS sy ny FLM foibe nanazava ny dingana arahina ahazoana izany fisotron-dronono

fanampiny « na ny retraite complémentaire » izany. Vokatr’izay dia hitombo ny vola

raisin’ireo mpiasan’ny FLM rehefa tonga ny fahanterana. Ny  amin’ity taona 2020 ity dia manana vinan’asa amin’ny hampiroboroboana sy hanentanana ny mpampiasa sy ny mpiasa hiditra amin’io fisotron-dronono fanampiny io, mba hisian’ny fifampitsinjovana bebe kokoa rahatrizay ka tsy miasa intsony ilay mpiasa » hoy Ramatoa Tsaboto Joslina tale jeneraly Lefitra eo anivon’ny CNaPS foibe izay nidina ifotony taty Vangaindrano. Raha 8% ny latsakemboka aloan’ny mpampiasa eo amin’ny sehatry ny fiangonana dia miampy 3,5% izany mba hahafahana misitraka ny fisotron-dronono fanampiny. Miampy 1% kosa ny alaina amin’ny karaman’ny mpiasa izany hoe lasa 2% raha toa ka 1% izany ho an’ny fisotron-dronono fototra efa mahazatra. Isaky ny telovolana mandritra ny vanim-potoana fizarana ny fisotron-dronono no andraisana ireo vola karazany roa ireo ho an’ny zokiolona.

 

RTT

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Sosialy

  • FANAMBADIAN’NY
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ANKIZY TSY AMPY TAONA

  • Fiarovana
  • Zoma 02 Oktobra 2026

ny mpanjifa

  • Fanadiovana,
  • Zoma 02 Oktobra 2026

« Himo » notarihin’ny Fikambanana Fanjiry

  • Fiarovana ny mpanjifa
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

sy ireo mpandraharaha

  • SENDIKA TRIADE
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

Tsy miaro ny mpanao risoriso izahay !

  • BANKY SIPEM
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Manamora ny fahazoan’ny

Hijery ny tohiny
FTT